airtel

Actualités

01-mars-2022

Actualités

Masoivoho Rosianina eto Madagasikara Miezaka mamafa ny fanaratsiana ataon’ny Tandrefana

Sample post image

Namoaka fampitam-baovao ny Masoivohon’ny Federasionina Russie eto Madagasikara Andrey Andreev omaly, fa nisy ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny sady Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy Patrick Rajoelina.

01-mars-2022

 Fotoana nitondran’io Ambasadaoro io fanazavana sy nisintonana ny saina eo anatrehan’ny ambarany fa fanelezana sy fivoizana fankahalana ny Rosianina ataon’ny Firenena Tandrefana manoloana ny toe-draharaha any Ukraine, araka ny fampitam-baovaony. « Nitondra ny fanazavana amin’ny antsipirihany momba ny hetsika ara-miaramila manokana mba hiarovana ny Repoblika entim-bahoakan’i Donbass (RPD), Repoblika entim-bahoakan’i Lougansk (RPL) ny tenako», hoy io diplaomaty io. Tetsy andaniny, nisy ihany koa moa ilay fangatahana nataon’ireo masoivohon’ny Firenena Tandrefana sy Etazonia niaraka tamin’ny mpiara-dia aminy mba hanamelohan’i Madagasikara ampahibemaso ny fanafihan’ny Rosianina any Ukraine. Sarotra noho izany ny fandidiana ho an’i Madagasikara satria samy nanao pimaso na ny Tandrefana na ny Rosianina. Maro ihany koa anefa ny toe-javatra mila fanazavana momba ny fifandraisantsika amin’ny firenena vahiny, toa an’i Russie. Mbola manjavozavo tanteraka ny dian’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena tany an-toerana ny fiandohan’ny taona teo. Etsy andaniny ihany koa, tsy afaka ny hanome lamosina ny Tandrefana i Madagasikara hatreto, raha jerena amin’ny lafiny politika sy ny jeopolitika. Hijoro ho tsy miandany sa hizotra amina fijery hafa ny Fanjakana Malagasy? Ny mety ho latsa-bato eo anivon’ny Firenena Mikambana no mety hamaritra sy hamaly ny valin’izay fanontaniana izay, ankoatra ny fanambarana ofisialy, raha hanao an’izay ny Fanjakana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap