airtel

Actualités

18-nov-2021

Actualités

Matihanina amin’ny fitehirizam-panafody “Manatanteraka asa any ambanivohitra ny 95%”

Sample post image

Nanomana ny zaikabe nasionaliny tetsy amin’ny PK 00 Analakely omaly ny “Groupement professionnel dépositaire de médicament”

18-nov-2021

 na ny vondron’ireo matihanina amin’ny fitehirizam-panafody eto Madagasikara. Nisy omaly ny fampiofanana ny avy eo anivon’ny fitantanana isam-paritra ny hetra na DRIP sy ny eo anivon’ny CNAPS momba izany. Hitohy anio amin’ny fakan-kevitra ho an’ny rehetra izany, hoy ny fanazavan’ny filohan’ity vondrona ity, Nandrianina Razafimanantsoa. Fametrahana amin’ny toerana ity sehatra ity no voizina ao anatin’izany, hoy izy. Manodidina ny 1700 isa eo ireo mpikambana ao anatin’ity vondrona izay manatanteraka ny ankamaroan’ny asany any amin’ny tontolo ambanivohitra ity. Ny 95%n’izy ireo no manatanteraka izany any ambanivohitra. Mikasika ny lalana 003 – 2021/PL izay natolotry ny depiote Voninahitsy Jean Eugene dia tena isaoranay azy. Misy ny fiarovana ny zo fototry ny atao hoe fitehirizam-panafody izay misehatra amin’ny fanomezana fahasalamam-bahoaka ho an’ny vahoaka Malagasy manerana an’I Madagasikara anatin’izy iny. Mandalo ambaratonga maro sy fitsirihana maro ny fametrahana izany “dépot de médicament” izany, hoy hatrany izy ireo, ka aoka tsy ho ailikilika.
J. Mirija
Legende: Nandrianina Razafimanantsoa
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap