airtel

Actualités

09-nov-2021

Actualités

Matimaty foana i Valimbavaka Nahoana no tsy atao fanadihadiana ireo miaramila ?

Sample post image

Toy ny matimaty foana tahaka ny valala nosamborim-boka hatreto I Nasandratra Valimbavaka Rambolamendrika na “Mota”, tovolahikely vao 15 taona,

09-nov-2021

maty tamin’ny fomba hafahafa teny amin’ny BANI Ivato ny volana jona 2021 lasa teo. Nanao hetsika teny amin’ny Fitsarana Anosy noho izany ny Fianakaviany omaly 08 novambra 2021, mangataka ny hamoahana ny fahazoan-dàlana manenjika na “Autorisation de poursuite judiciaire” ho an’ireo miaramila heverin’izy ireo fa nahavanon-doza nahafaty an’I Valimbavaka. Araka ny nambaran’i Natacha anabavin’ny maty, nisy fikambanana nanantona azy ireo, nilaza fa vonona hanampy, nilaza fa tsy aleo ve atao raharaham-pihavanana. Nanakivy fa hoe: dosienareo io raha hiakatra dia “non-classé”. Notambazana hoe 16 tapitrisa Ar, saingy nanamafy izy ireo tsy mila raharaham-pihavanana, fa raharaha miakatra no tadiaviny, hoy ny fanamafisana. Nambara izy ireo fa afaka hafindra toerana ireo nahiana ho namono,... Nasaina nanao fanambarana, fa tsy ny miaramilan’ny BANI no namono azy. Ny namany mpanao baolina ihany koa, dia nilaza fa nosamborin’ny miaramila, notaritarihina, rehefa nanontaniana tao amin’ny BANI dia hoe: tsy misy an’izany ato. Nisy manamboninahitra iray nanontaniana, ka nilaza io hoe: “Ity zaza ity tratry ny fitsaram-bahoaka tato anatin’ny “camp” fa nangalatra bisikileta, ka andao ho any amin’ny Birao hiresaka isika”, hoy ny anabaviny. Nolazaina fa naratra mafy, ary efa nalefa any amin’ny HJRA tao amin’ny Sampana vonjy aina, kanefa rehefa nojerena tao dia nilaza fa tsy misy zaza tsy ampy taona maratra izany aty, ary nanantona ilay mpitsabo ny miaramila hoe ilay razana nateriko iny”, hoy ny fitantaran’ny havany. Tany amin’ny tranom-paty noho izany no hita ny fatiny. Roalahy izy ireo no voalaza fa no tratra tao amin’ny BANI, fa ny iray tafatsoaka, ary io no voalaza fa nitantara fa novonoina izy ireo ary norahonana tsy hitantara ny nanjo azy, saingy notorian’ny BANI ho nanala baraka indray, hoy ny fitantarana. Tsy afaka henjehina kosa ny miaramila ahiana ho nanao ny herisetra, raha tsy mivoaka ny “Autorisation de Poursuite judiciaire” avy amin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tsy midika fa efa meloka saingy nahoana no tonga dia misy ny endrika sakana tsy ahafaha-manadihady ireo miaramila ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap