airtel

Actualités

16-nov-2021

Actualités

May foana isan-taona i Ankarafantsika “Ny tsy fahafalian’ny mponina matetika no antony”

Sample post image

Miompana amina zavatra 3 lafy ny fandrakofana ala ho an’ny minisitera lefitra misahana izany, raha ny fanazavana tetsy Nanisana omaly.

16-nov-2021

Eo ny ho an’ireo lalam-pirenena. Raha atao tombana izany, hoy ny minisitra Haingosoa Hortensia Anthonesia, dia avy any Toliara hatrany Antsiranana no horakofana ala. “Route fleurie”, hoy isika taloha na “route arborée”. 2300 km eo no halavan’izay fandrakofana ala ny sisin-dalam-pirenena izay. Hisy koa amin’ny fanombohan’asa ofisialy ny fambolen-kazo goavana dia ilay zanakazo miisa 60 tapitrisa ho atsatoka anaty andro iray. An-dalam-panomanana ny paikady rehetra hanatanterahana izany. Hisy koa ny fametrahana tanin-janakazo goavana na “pépinière a grande échelle” sy “pépinière de proximité”. Ny 7 novambra teo dia nisy ny fampiakarana ireo ben’ny tanana sy governora tany Antsirabe izay nahafahanay nitondra izany anjara biriky izany ho fanentanana ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Tsy ampy ny fanaraha-maso ireo sampana fiarovana ny ala sy faritra arovana teo satria izahay eto anivon’ny minisitera izao tsy ampy olona. Mbola mangataka amin’ny fanjakana foibe izahay hoe ampio ny tekinisianin’ny rano sy ala hiasa eny ifotony! May foana isan-taona I Akarafantsika. Antony matetika ny resaka tsy fahafaliana na “feu de mécontentement”. Tezitra ny mponina satria misy zavatra tsy milamina ao. Harenina izay zavatra tsy mety izay hisorohana ireny fahavoazana mihoam-pampana ireny satria ny zavatra tena mamoha henatra dia ry zareo eny ifotony no manao ny ataony dia ny fitondram-panjakana no maloto. Mirehitra I Menabe Atimena, Akarafantsika, Analalondo sy ny hafa rehetra dia ny fitondram-panjakana no hitan’ny rehetra sy ny sehatra iraisampirenena. Ny olona nahazo famatsiam-bola sy natao hitantana any amin’ny faritra ireny no tsy nanao ny asany. Efa latsaka ny afo tamin’ity taona ity fa voizina any amin’ny tambazotran-tserasera ilay izy dia toy ny hoe nitombo be fa afaka hamarinina any amin’ny NASA fa nihena ny firehetan’ny ala tamin’ity taona ity, hoy hatrany ity minisitra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap