airtel

Actualités

18-oct-2021

Actualités

May indray Ankarafantsika Niniana nodorana, iray voasambotra

Sample post image

Nanomboka ny sabotsy no miady mafy amin'ny afo mandravarava ny valanjavaboaharin’Ankarantsika ny ekipan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny MNP (Madagascar National Parks),

18-oct-2021

 ampian'ireo Zandary sy ny avy ao amin'ny Tafika ary ny Polisim-pirenena. Maherin'ny 400 ny olona niaraka nisalaha namono ny afo hatry ny omaly, raha ny tatitry ny Minisitry ny tontolo iainana Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Ny mampalahelo dia tebok’afo telo no indray narehitra àry toa niniana natao, hoy izy. Ny fanadihadiana ataon'ny tonia mpampanoa lalàna sy ny mpiara-miasa aminy no hahalalana ny marina, ary efa misy olona 1 voasambotra hatry ny omaly, araka ny tatitra. Omaly alahady hariva, mbola misy afo lehibe iray tsy maty noho ny hamafin'ny rivotra. Mankasitraka mankatelina indrindra ny ekipa rehetra miatrika ny ady goavana amin'ny afo ny tenako, hoy ny Minisitry ny tontolo iainana. Nankasitraka ny orinasa SOCTAM (Société de Tabaculture de Madagascar) nanolotra fitaovana (15 pulvérisateurs) hanampiana ny Minisitera sy MNP amin'ny famonoana afo. Isaorako mitafotafo ihany koa lay olon-tsotra tonga nanao tolo-tanana hanampiana ny ekipa, ka nanolotra pulvérisateurs 30 sy bidons 100 ary fiara mpitatitra, na camion. Nankahery manokana ny Tale iraisamparitry ny Tontolo iainana ao Boeny-Betsiboka, Andriamatoa Ihando Andrianjafy. Vao tamin'ny septambra no niatrika fahamaizana goavana ny tao Ankarafantsika ka naharezana velarana 3200 ha, àry niatrika izany nandritra ny 5 andro izy ny ekipa, ary io lasibatra io indray. Nankahery ny ekipany ity minisitra ity amin'ny vesatry ny tsindry ary ny fampitahorana mahazo azy matetika, eo amin'ny fanatanterahana ny "tolérance zéro" ao an-toerana.

Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap