airtel

Actualités

13-juil-2021

Actualités

Miami any amin’ny morontsirak’i Toamasina Efa nanaovana fanandramana mba tsy hitera-doza

Sample post image

Ho fanatanterahana ny tetikasan’ny Filohampirenena izay hanorina fotodrafitrasa manamorona ny morontsirak’i Toamasina,

13-juil-2021

ny PAZC izay tanterahin’ny BNCCCREDD+ dia mikendry ny hiaro ny moron-dranomasina manaraka ny làlana Ratsimilaho izay mirefy 500 m miainga amin’ny TANIO hatreo amin’ny sakeli-dàlana alohan’ny Lycée Rabemananjara, hoy ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana Lovain-jafy (MEDD) omaly. Tanjona ny hiaro ny moron-dranomasina amin’izay mety ho loza rehefa kaohin’ny ranomasina izany. Nodiovina avy eo namarinina ny moron-dranomasina. Ny toerana nangalana ireo vato atao fiarovana ny sisin-dranomasina ihany koa dia efa nahazo ny fankatoavana taorian’ny fanandramana tany amin’ny laboratoara. Alohan’ny fanatanterahana, efa nisy ny fanandramana sy ny fanadihadiana natao teo amin’io toerana ametrahana azy io. Hatreto dia vinaina ho ny 37% amin’ny asa no efa vita, hoy ny MEDD. Tsiahivina fa fanambarana nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny propagandy ny hanova an’i Toamasina ho an’i Miami any Etazonia ka asa efa firy isan-jato eo ny fitovian’ireo tanàna roa ireo roa taona sy tapany aty aoriana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap