Adjudant Chef» miasa ao amin'ny Toby an'ny tafika malagasy eny Ivato fa misy lehilahy iray misandoka ho miaramilan'ny tafika an-dranomasina manofa ny tranony, hoy ny fampitàm-baovao voaray ny sabotsy teo. Ny septambra 2025 dia tonga niangavy hipetraka ao aminy ity tovolahy ity, hoy izy. Nilaza fa miaramilan'ny tafika an-dranomasina Antsiranana ka hiasa eto Antananarivo. Samy mpitandro filaminana sy tafika miray hina dia nomena trano itoerany izy. Akory nefa ny hagagana fa tsy mba mandeha miasa toy ny mpitandro filaminana manana birao ny anao lahy. Mitety trano fisotroana fotsiny no ahitana azy sady manao fanamiana isan'andro eo an-tànana sy ny manodidina. Nikaroka ny marina ilay tompon-trano ka fantatra fa tsy miasa ao amin'ilay toby voalazany eto Antananarivo sy Antsiranana akory ity mpisandoka ity. Miaramila zazavao nahavita servisy efa taona marobe lasa tany aloha izy ary tsy manohy miasa ho an'ny firenena intsony. Natsiro taminy anefa ny fitiavana ny lokon'ny fanamiana ka dia nosalorany hatrany ary nofitahiny daholo ny rehetra izay ela izay. Nolazainy ho miaramila am-perinasa hatrany izy. Izany anefa dia heloka voalazan'ny andininy faha-259 amin'ny CPM. Izay olona rehetra, ankoatr'ireo tranga avelan'ny lalàna, ka manao ivelan’ny tranony, fitafiana na misalotra na dia ny ampahany monja aza, ny akanjo na fanamiana na mari-boninahitra na famantarana (sivily na miaramila) ka tsy manana zo hitondrana izany izy. Fisaorana na fitondràna na fanaovana fanamiana izay miteraka fitoviana amin'ny mpitandro filaminana tena izy ka mahadiso hevitra ny sain'ny vahoaka mahita azy dia ho saziana araka ny lalàna. Famonjàna 1 ka hatramin'ny 5 taona. Lamandy 300.000 ka hatramin'ny 9.000.000 Ariary. Tandremo ary ny misalotra fanamiana rehefa tsy miaramila intsony na tsy miaramila akory ianao. Miandrasa fiantsoana hanompo firenena toy ny namana rehetra nahavita servisy, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria ny sabotsy teo.
Nangonin’i J. Mirija