airtel

Actualités

01-mars-2022

Actualités

Miarinarivo Itasy Vehivavy 10 naolan’ilay lehilahy, maty avokoa ny 4

Sample post image

Tsy hay intsony na midoroka zava-mahadomelina na manao zavatra hafa ity lehilahy iray 49 taona monina any amin’iny faritra Miarinarivo Itasy iny.

01-mars-2022

Raha araka ny vaovao azo momba azy mantsy dia efa nahatratra 10 hatreto ireo vehivavy naolany ka ny 4 tamin’ireo dia namoy ny ainy avokoa. Raha araka ny vaovao avy amin’ny olon-tsotra ihany dia misy efa mahatratra 90 taona ireo olona naolany ireo ka ho an’ilay farany izay namoy ny ainy tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia efa 71 taona. Tao Miadana Miarinarivo II ity renim-pianakaviana ity no niharan’io fanolanana io. Hatao andrimaso sy famotorana ilay nahavanon-doza hatramin’ny omaly ary fantatra fa hiakatra anio Talata na rahampitso Alarobia.


Aretin-tsaina moa na olona niaina tao herisetra fony fahakely raha araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana manokana momba ny saina no mahavita mamoa-doza tahaka izao ankoatra ireo mandray zava-mahadomelina dia tsy mahatana filany rehefa mahita ireo karazana fihetsika mamoafady amin’ny vata fahitalavitra ka mampihatra izany amin’ireo sendra azy.
Pati

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Trano manodidina ny 5 isa, ahitana fianakaviana 20 samihafa no fantatra fa misy

Card image cap
15-avril-2024

Nanontany ahy ny fiadidiana ny fananan-tany na «domaine» hoe ahoana ny mahakasika ilay

Card image cap
12-avril-2024

Tsaboina ao amin'ny CHRR Maintirano ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolanana,

Card image cap
12-avril-2024

Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika.

Card image cap
12-avril-2024

Niakatra fitsarana omaly Alakamisy 11 Aprily raha ny loharanom-baovao azo ilay raharaha

Card image cap