airtel

Actualités

24-mars-2022

Actualités

Mifoha ny fitakiana “Avereno amin’ny satelita ny MBS”

Sample post image

Herintaona mahery izay no nanapahan’ny Fanjakana ny fahafahan’ny fahitalavitra MBS mandeha amin’ny satelita : Canal+, Startimes, ary ny Parabole,…

24-mars-2022

 Notondroina ho nihantsy ny Fanjakana sy nanentana fikomiana, nandranitra adim-poko, saingy ny mahagaga dia ny fahafahan’ny any amin’ny faritra misitraka azy no natao, fa tsy ilay orinasa no nakatona. Manomboka mifoha ny fitakiana ny hamerenana io fahitalavitra io ho azon’ny any amin’ny faritra sitrahana. « Tena efa niaritra ela kosa izahay, mijaly izahay aty amin’ny faritra, mila vaovao tsy mitongilana, ka mitaky ny hamerenana ny televiziôna sy ny Radio MBS ao amin’ny Canal Plus, ny Startimes ary ny Parabole. Tsy mahazaka demokrasia izao fitondrana izao, ny MBS dia efa nodorana sy nopotehina ny fiandohan’ny taona 2009, ny 26 janoary, kanefa tafarina ihany. Tonga teo amin’ny fitondrana ny Filoha Rajaonarimampianina Hery dia nanaiky ny nanokafana indray ity radio televiziona MBS ity. Fotoana fohy taorian’ny nanomezan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpananorenana ny fahefana tamin’ny alàlan’ny didy tsy azo ivalozana, ka nanendrena ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina ankehitriny dia notereny nanapaka ny fifanarahana tamin’ny MBS ireo orinasa mpampita amin’ny alàlan’ny satelita ny fandaharany », hoy ny fanambarana. Na izany na tsy izany dia nisy ihany no mbola afaka nampita ny fandaharana kenefa dia noteren’ny fitondrana indray, ity orinasa ity tsy hanohy izany intsony. Nilaza noho izany ireo mpanaraka ity haino aman-jery ity fa tsy zakan’izao fitondrana izao mihitsy ny ahafantaran’ny any amin’ny Faritra ny zava-misy marina eto amin’ny Firenena eo amin’ny sehatra rehetra. Misy tokoa mantsy ireo fandaharana ao amin’ny MBS mamotsipotsitra ny fitenitenenana foana, ny hadalàna sy ny tsy fanajàna ny teny notenenina ary fanitsakitsahana ny lalàna velona ataon’izao fitondrana izao, hoy ny fanamrihana. Zon’ny olom-pirenena rehetra ny hahazo ny vaovao rehetra, izany dia ao anatin’ny fahalalahana maneho hevitra, sy fahalalahan’ny asan-gazety voafaritry ny lalàmpanorenana, hoy hatrany ny fanambarana.


Fandranitana adim-poko, fandranitana fankahalana, ny fanaparitahana vaovao diso sy feno fanompana no nandraisan'ny fitsarana malagasy didy hitsivolana na « ordonnance » mandidy ny fampitsaharana ny fampitana ny MBS amin'ny Canal plus, Parabole ary Startimes, taorian'ny fangatahana nataon'ny fanjakana malagasy tamin'ny alalan'ny « Direction De la Législation et du Contentieux » eo anivon'ny fiadidiana ny primatiora, hoy ny Minisitry ny fitsarana tamin’izany Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO. Raha tena mitombina io, lojika kokoa raha ilay haino aman-jery mihitsy no nakatona fa tsy hoe : misy ampahany afaka misitraka, dia misy ampahany tapahana. Hafahafa !
Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap