airtel

Actualités

22-mars-2022

Actualités

Miha rava ny fiarahamonina Malagasy “Isany tena manimba ny tambazotran-tserasera”

Sample post image

Tsapa fa miha rava izao ny fiarahamonina Malagasy, hoy ny avy eo anivon’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM.

22-mars-2022

Isan’ny tena manimba izany ny resaka tambazotran-tserasera, hoy ny filoha lefiny, Gerard Ramamimampinona. Miezaka izahay noho izany satria rehefa hifampitaiza ve, ohatra, ny olona dia mbola hahazo vahana be toy izao ny fifanaratsiana anaty tambazotran-tserasera? Ilay olombelona mihitsy no mila mifampitaiza sy mametraka amin’ny toerany ireo ray aman-dreny saingy miteny na izany na tsy izany aza izahay hoe tandremo fa mandrava fiarahamonina ny tambazotran-tserasera! Olona mbola tsy mihaona akory efa miady sahady ao anatiny ao. Ny Malagasy mifampiresaka izany dia fifanajana, vahaolana, marimaritra iraisana sy ny karazany fa amin’izao mifanompa, mifanalika, mifanebaka, mifampisoloky. Ny raiamandreny tokony hanome ohatra tsara indray no mampiady. Na raiamandreny anaty fiangonana aza. Ireny koa izao hitantsika ireny raiamandreny mpampianatra sy raiamandreny olomboafidy miady eny imasom-bahoaka nefa tokony hifanome haja sy hasina. Fiteny ny hoe “Tany misy olobe tsy miady zaza.”. Ny antsika efa miady mbola entina any Maputo sy Dakar dia hoe ireto ankolafy Ravalo, ankolafy Rajoelina, ankolafy Ratsiraka, etsetra. Lalaovin’olona ny raiamandrenintsika ary ry zareo mihitsy no entina any amin’ny ady. Amin’io hoe aty isika no miady dia any Maputo sy Dakar ny olona no mandravina azy. Henatra ho an’ny firenena izany ary tokony hahatonga saina antsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap