airtel

Actualités

14-déc-2021

Actualités

Miha reraka i ZOTO Fa inona marina no tena tanjony ?

Sample post image

Ny mpanakanto Barinjaka no nitatitra omaly tao amin’ny tambazotra facebook hoe : “ an-dalana ho any Ramena Midongy atsimo hanao fampisehoana aho no nifanena tamin’ity rangahy ity (Zoto),

14-déc-2021

 ary toa hoe handeha any Fort Dauphin izy” . Hita tamin’ny sary i Zoto sy vehivavy iray, manaporofo ity sombim-baovao ity fa mbola manohy ny dian-tongotra mitety faritra izany ity rangahy ity.Efa hita anefa izy fa reraka ary tsy tahaka ny tamin’ny herintaona na roa taona lasa intsony.Misy zavatra mibontsina sy toa miloko fotsy izany ny tanany sy ny tongony.Ary ny tena manaitra dia izy toa manao tatinono izany, toa vehivavy.Maro no nanomboka nanontany tena hoe fa ao tsara ve i Zoto; raha tsorina dia hoe : mbola salama saina tsara ve ? Satria hafahafa raha ny fahitana azy, ny fiakanjony ny fomba firesany… Inona marina no manosika azy handeha an-tongotra mandrera-tena mitety faritra io ary efa hita hoe tena reraka ? Sao dia tokony ho jeren’ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana sao efa mitranga ny loza vao samy hikorpaka daholo sy hifanome tsiny indray.
RTT
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap