airtel

Actualités

13-janv-2021

Actualités

Mihemotra ny 01 febroary ny fitsarana Tsy hamelan’ny Afrikanina Tatsimo ireo 3 lahy

Sample post image

Nahemotra ho amin’ny 01 febroary 2021 any Johannesburg ny raharaham-

13-janv-2021

 

 

 

pitsarana ireo telolahy tokony natao omaly 12 janoary. Heloka momba ny fampidirana entana an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna (Contrebande) sy famotsiam-bola no hanenjehana azy ireo, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tseranana tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo omaly. Mbola tazonina any an-toerana izy ireo hatreto mazava ho azy izy ireo, ary tsy nahomby ny fandresen-dahatra nataon’ireo iraky ny Fanjakana Malagasy momba ny famerenana ny volamena 73,5 kg sy ireo 3 lahy mba ho tsaraina aty Madagasikara, raha toa ka nilaza ny Minisitry ny Fitsarana Malagasy ny 7 janoary fa atao izay hamerenana azy ireo eto mialohan’ny 12 janoary. Andrasana izay mety ho fivoarany hatramin’ny 01 febroary izany. Ho sarotsarotra ny hisian’ny famotsorana sy fanolorana azy ireo amin’ny Fanjakana Malagasy, ary marihina fa ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny lafiny ara-keloka dia manaja ny fiandrianam-pirenena satria ny firenena tsirairay dia afaka manaiky na mandà ireo fangatahana fifanampiana ara-pitsarana na fanolorana olona enjehina ara-pitsarana amina firenena hafa, raha ny fanazavana efa nentin’ny Fitsarana Malagasy rahateo.

 Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap