airtel

Actualités

02-mars-2022

Actualités

Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Misy polisy mitaraina fa hoe tsy nandray karama

Sample post image

Vaky taraina ireo solontenan’ny mpianatra ho polisy izay tamin’andiany Iratra nivoka ny tamin’ny 24 desambra 2021 fa tsy mbola nandray karama ara-dalana sy ireo tombotsoa.

02-mars-2022

 Miisa 1010 ireo polisy nivoka tamin’ny andiany Iratra io ary naparitaka eto an-drenivohitra izay efa mandray ny asa maha polisy azy. Nanambarana hatrany ny fitaraina azo io fa nanomboka teny amin’ny sekoly izy ireo no efa nianto-tena nandritry ny fizarana asa dimy volana : Jona ka hatramin’ny Novambra. Hatramin’izao dia mbola izay hatrany no zava-misy iainan’ireo polisy Malagasy nivoka ny sekoly izay maro amin’izy ireo no mandoa hofantrano sy ny jirama ary ny sakafo ny vady aman-janany. Betsaka tamin’ireo andiana mpianatra polisy vao nivoka no traboina noho ny aretina coronavirus sy ny rivo-doza izay nifanesy, hany ka sahirana tanteraka. Raha nambaran’ireo polisy sasany izay tafaresaka taminay izay isan’ireo andiany Iratra ireo dia efa nisy ny fampahafantarana mialoha azy ireo saingy vitsy no mahalala an’izany ka izao latsaka anatin’ny fahasahirana ary dobon’ny trosa izao. Anisan’ny tombotsoa nomena ireo polisy ny fanomezan-dalana hindram-bola any amin’ny banky , saingy efa trosa tsy maintsy tapaka amin’ny karama moa iny avy eo. Nilaza hatrany izy ireo fa tsy mbola voafaritra ny daty avy amin’ny minisiteran’ny filaminan-bahoaka hamohana ny fanapa-kevitra ny minisitera amin’ny mety ho fandraisan’ireo polisy miisa 1010 ny karamany. Nosokajian’ireo mpianatra polisy vao nivoka hatrany fa lasa tsizarizary ny fandraisana an-tanana azy ireo. Porofo izany hoy ireo ny famoaham-bola amin’ny sakafo izy ireo eny amin’ny ENIAP izay tsy mbola nisitrahan’izy ireo taorian’ny fidirana teny amin’ny sekoly. Takian’ireo polisy ny fanaovana mangarahara ny fifaninanana hidirana ho polisy sy ny fepetra tsy maintsy arahina aorian’ ny famohana azy ireo satria miteraka fahadisoam-panantenana izany hoan’ireo mpianatra vaovao vao hiditra eny amin’ny ENIAP.
Tolin
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap