airtel

Actualités

20-oct-2022

Actualités

Minisiteran’ny tontolo iainana Ahitana tantara hatrany

Sample post image

Nanomboka tamin’ny fotoana nitantanan’ny filohan’ny antoko politika Maitso, Alexandre Georget, azy, izay nalaza ho nasiaka sy tsy nanaja ireo mpiara-miasa aminy dia saika ahitana

20-oct-2022

tantara hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Taorian’izay moa dia ny tsy fifankahazoana teo amin’ny minisitra nandimby ilay voalaza teo, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, sy ny lefitr’ity farany, izay mbola avy amin’ny antoko Maitso indray, Haingosoa Hortençia Antoinesia, no nalaza. Samy afaka tamin’ny toerany avy indray moa ireo taty aoriana. Io indray fa manomboka ny tantara Marie-Orléa Vina. Vao mainka tsikaritra ho niteraka fahasorenana ho an’ireo mpanara-baovao ny fanazavany izay toy ny milaza fa mbola tsy olana loatra ny zava-misy ankehitriny satria raha oharina tamin’ny 3 taona lasa izany dia efa nisy fidinany 90% be izao. Misy tokony irarahiana izay tamin’ny 3 taona lasa manoloana ny tanety miha ringana sy ny taranaka efa handova dezaka ve, hoy ny isan’ny fanontaniana? Dia mandeha toy ny efa fanaon’ity fitondrana ity mahazatra koa ny fampiasana serasera an-tsary isan-karazany mba tsy hilazana hoe werawera entina maneho fa tena miasa ary misiki-ponitra ny minisitra mba hiadiana amin’ireo tsy mataho-tody amin’ity fandoroana tanindrazana mirongatra ity. Vokatra sisa andrasana.
Legende : Rtoa Vina Marie-Orléa, minisitry ny tontolo iainana ankehitriny, namono afo tany Ankazobe.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap