airtel

Actualités

20-août-2021

Actualités

Minisiteran’ny tontolo iainana Zanakazo miisa 135.090.554 no voavoly

Sample post image

Tontosa omaly tetsy Ambatobe ny lanonana fampandraisam-pahefana ny minisitra lefitra hisahana ny departemanta vaovao eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana na ny minisitra lefitra misahana ny fandrakofan’ala,

20-août-2021

 Haingosoa Hortensia Antoinesie. Nisy nialoha izany ny fampahafantarana ity minisitra vaovao ity ireo dingana efa vitan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ireo dingana efa vitan’ny MEDD mikasika izay lafiny fandrakofan’ala an’I Madagasikara izay. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra dia misy ilay vina antsoina hoe “Madagasikara rakotr’ala” izay kasaina ho tontosa anaty 10 taona. Ao anatin’izany ny fandrakofana ala indray ireo toerana efa nisy ala teo aloha saingy nosoparan’ny tsy fahatomombanana ekolojika ka zary ahiana ho lasa ngazana. Nandritry ny fandraisam-pitenenan’ny minisitra vaovao no nanambarany ihany koa manoloana izany fa manana stratejia ihany koa ny tenany hanampiana tosika izay resaka fandrakofana ala izay. Tsy mifanipaka amin’ny efa misy, araka ny resaka voizina etsy sy eroa, hoy izy, ny fiaraha-miasa fa fanamaintsoana an’i Madagasikara no tanjona. Hiara-kiasa bebe kokoa amin’ireo mpisehatra momba ny ala na “forestier” ny tenako, hoy hatrany izy, ary manamafy fa efa nahomby ny fomba fiasa teo fa mbola ho hatsaraintsika kokoa. Etsy Nanisana moa no ho birao fiasan’ny minisitra lefitra raha toa ka eny Antsahavola kosa ny minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Ity farany izay nilaza fa tao anatin’ny 20 volana no nitetezany sy ny ekipany faritra miisa 22 amin’ireo 23 misy eto Madagasikara. Najaina ny maha olona sy ny maha izy azy ireo mpiara-miasa. Tsy nisy fitokonana, hoy izy, tato na in-dray mandeha aza. Napetraka ny rafitra miady amin’ny kolikoly ara-tontolo iainana. Lasa faha 12 amin’ireo minisitera miisa 32 eo amin’ny laharan’ny arofenitra na “rang protocolaire” ny MEDD raha toa ka faha 20 tamin’ireo 22 izy teo aloha. Inoana, hoy hatrany izy, mantsy ny minisitra vaovao fa hitohy izany amin’izao fahatongavanao izao satria mila politika matanjaka ny fandrakofana ala an’I Madagasikara matoa ianao napetraky ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra eo amin’izao toerana izao. Araka ny tatitra omaly hatrany moa dia velaran-tany manodidina ny 45.002ha no voavoly zanakazo miisa 135.090.554 nandritry ny taom-pambolen’ny MEDD 2019 – 2020. 4333ha no voavoly Mangrovy miisa 77.931.851 raha toa ka 40.669ha kosa no voavoly hazo an-tanety miisa 57.158.703.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap