airtel

Actualités

20-oct-2022

Actualités

Minisitra Andry Ramaroson Lany andro amin’ny "Mada raid" sy "Selfie"

Sample post image

Fatiantoka iray lavaka no takaitra navelan'iny efatra andro nitsaharan'ny famokarana herinaratra tao Andekaleka iny na ho an’ny Jirama indrindra fa ho an'ny toe-karena malagasy.

20-oct-2022

Dia mbola samy ny miezaka manentsina izany fatiantoka izany ireo seha-pihariana rehetra ankehitriny na lehibe, na salasalany na madinika, miankina amin’ny herinaratry ny Jirama, amin’ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Tsy resahana intsony ny delestazy nampimenomenona ny maro sy ny loza nateran’izany ara-piarahamonina dia ny tsy fandriampahalemana. Fanindroany izao no niainana izany toe-javatra izany raha ny tamin'ity taona 2022 ity fotsiny. Vao niandoha ny taona dia delestazy goavana no teto, fa hoe : nisy nisotasotasota tao Andekaleka ka nitarika firehetan'ny milina. Hatreto moa toa very an-javony tsy hita izay niafaran’iny raharaha nosokajiana ho heloka bevava iny. Dia teo koa iny fametrahana sy fampandehanana ny gropy fahaefatra nitarika fanapahana herinaratra naharitra hefarana iny, izay toa hoe : adihevitra be sy nampifandrirotra ny tao anivon’ny governemanta tao iny fanapahan-kevitra iny. Efa iaretan’ny mpanjifa fotsiny ny resaka solika, raha tsy sendra izay mitapoka sy sahirana amin’ny fahitana azy, ankoatra ny vidiny midangana. Dia inona koa ny manaraka ary ahoana ny hiatrehana ny maintany, hoy ny fanontanian'ny maro mahita fa toa fitetezam-paritra manao Madaraid mizara jiro "cobra" mandeha amin’ny masoandro sy fizarana sary "selfie" no mameno ny fotoanan'ny minisitry ny angovo sy ny akoran'afo, Andry Ramaroson amin’ity hoe : mandeha ny mandeha. Mba miandry ihany hoe : inona moa no politikan'ny angovo eto Madagasikara eto, fa tsy mazava sa tsy misy ? Eny, ilaina ho Jiro cobra ho fanazava fa tsy hamaha ny filana angovo hanosika ilay fanatanterahana ny ODOF na ilay Distrika iray, indostria iray izany, ny filoha rahateo tompondakan'ny fananganana indostria. Isika anefa hiantso mpampiasa vola ho avy handraharaha eto Madagasikara. Ankoatra izay, mbola kitay sy saribao no angovo ampiasain’ny 90% mahery ny tokantrano malagasy. Dia ho ringana ihany izany ny ala, raha izao no fandehany satria ilay herinaratra ho an’ny rehetra ity mbola lavitr’ezaka, eny ary raha misy aza tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny maro.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap