airtel

Actualités

05-oct-2021

Actualités

Minisitra Andry Ramaroson Tratry ny sivana ao amin’ny TVM sy RNM ?

Sample post image

Manomboka sahy mamaky bantsilana ny tsy fahafaha-misitraka ny famoaham-baovao any amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM ny tompon’andraikitra ara-panjakana sasany noho ny fahatsapana ny sivana.

05-oct-2021



 Nanaitra ny fanehoan-kevitry ny governora any Fitovinany sy Vatovavy tao amina fahitalavitra iray omaly, fa zara raha hita ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny vaovaon’izy ireo. “Tato ho ato, hatramin’ny nihavianay dia azo isaina amin’ny rantsan-tànana no mba mandeha ny vaovao. Tsy maintsy misy fiaraha-miasa manokana amin’ny mpanao ggazety vao mba mivoaka. Tsy maintsy mitady làlana ivelany any amin’ny haino aman-jery tsy miankina. Alefa gazety sy fahitalavitra tsy miankina hafa mba hampitana ny vaovao. Efa misy ny tatitra any amin’ny fiadidian’ny Repoblika sy minisiteran’ny atitany, saingy voatery tsy maintsy mamoaka vola handefasana ny vaovao any amin’ny tsy miankina mba ho hitan’ny any amin’ny Faritra”, hoy ny ampahany tamin’ny fanehoan-kevitra. Voalaza moa fa isan’ny voasivana tsy nandeha tamin’ny haino aman-jery TVM sy RNM ny fametrahana jiro ho an’I Manakara izay natrehin’ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Andry Ramaroson andro maromaro lasa izay. Heverina fa ity Minisitra ity mihitsy tena no nosivanina tsy ho tafiditra amin’ny TVM sy RNM ka mametra-panontaniana hoe: tsy azo havoaka ao amin’ny TVM sy RNM ny asa ataony? Ahiana ho tafiditra amina fifanolanana manokana izany. Efa hatry ny ela no nivoaka ny resaka fa misy ny lonilony eo amin’ny Minisitra ny angovo sy ny Sekretera Jeneralin’io Minisitera io Atoa Andry Andriatongarivo izay vadin’ny minisitry ny serasera izay mandidy sy manapaka momba ny TVM sy RNM. Ny iray Tale Jeneraly no lasa minisitra ary ny iray Sekretera Jeneraly izay miteraka resabe ankehitriny noho ilay raharaha basy nirefotra teny Ambatobe. Resaka nalaza tato ho ato moa ilay raharaha fanalahidy eo anivon’ny minisitera voalaza fa misy tsy mety manome. Tsy vao izao no nisy tompon’andraikitra toa tratry ny sivana fa efa nisy depiote lany tamin’ny lokon’ny IRD. Nanoloana ilay tranga niteraka resabe ny volana septambra nahavoatonona ilay minisitra iray dia nahitsy io depiote io naneho, fa ny olona iray rehefa manao politika sy voatendry amina andraikitra ambony dia tokony ho fitaratry ny vahoaka amin’ny fitondran-tena. Raha miresaka TVM sy RNM, dia indraindray toa vaovaon’ny Minisitry ny serasera na ny antokony no mahazo vahana ao, ary misy aza hatrany amin’ny folo minitra eo ihany, fa ny hafa izany tratry ny sivana?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap