airtel

Actualités

13-juin-2022

Actualités

Minisitry ny fitaterana “Hofongoriko ny tontakely, tsy matahotra hoesorina”

Sample post image

Natsikafon’ny Minisitry ny fitaterana Roland Ranjatoelina nandritra ny fihaonan’ny tamin’ny mpiasan’ny Air Madagascar sy ny Sofitrans ny sabotsy teo teny Anosy

13-juin-2022

 fa nisy kajikajy sy fitantanana maloto nanaovana tantely afa-darakotra ny Air Madagascar. Natsangana ny Madagascar Airlines, feno kiantranoantrano sy tsy fahatomombanana. Isan’izany ny fananan’Atoa Mamy Rakotondraibe Tale Jeneralin’ny CNaPS teo aloha izay Filohan’ny Filankevi-pitantanana petra-bola. Ity farany izay efa nesorina niaraka tamin-dRtoa Rinah Rakotomanga Filoha lefitry ny filankevi-pitantanana. “Ny zavatra tian-dry zareo hatao dia hobakoiny mora i Air Madagascar. Izaho mahalala hoe iza no ambadik’io ary izaho tsy matahotra io olona io”, hoy ity Minisitra ity. Nambarany moa fa efa mahafantatra ny kajikajy maloto ny Filoha, ary izy mihitsy no nanome toromarika hanaovana ny fanadihadiana fa misy zavatra tsy ara-dalàna. Nilaza ho kivy amin’ireo olona tompon’andraikitra amin’ny Air Madagascar ny Filoham-pirenena Rajoelina, nomena vola hanaovaozana ireo fiaramanidina fa tsy hita izay niafarany, raha ny voalazan’ity minisitra ity. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 10 novambra 2021 no nilazan’ny Minisitry ny fitaterana tamin’izany fotoana Tinoka Roberto fa nahazo 5 tapitrisa dolara avy amin’ny Fanjakana hanarenana ireo fiaramanidina Airbus A340 roa ka afaka 4 volana dia afaka hiasa ireo. 7 volana aty aoriana isika izao fa aiza marina izay Airbus A340 afaka miodina sy miasa eo? Etsy andaniny, raha ny fahafantarana azy dia mbola vola notrosaina tamin’ny Banky lehibe iray eto amin’ny firenena io 5 tapitrisa dolara io, fa tsy avy ao amin’ny kitapombolam-panjakana madiodio.

HESORY AHO REHEFA TSY METY AMIN’NY FITONDRANA
Nahitsy Atoa Roland Ranjatoelina nilaza fa hiady hatramin’ny farany ary hamongotra ireo namotika ny Air Madagascar, naneho fa tsy matahotra ny hoesorina. “….Ny Firenena malagasy tsy firenen’ny tontakely, ary tazoniko hatramin’ny farany. Misy tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena nanenjika ahy tamin’io fa izaho dia miteny hatramin’ny farany, fa ny antom-pisiako ao amin’ny governemanta dia hiaro ny tombotsoan’ny fireneko fa tsy ho an’olona iray na roa na telo. Rehefa tsy mety amin’ny fitondram-panjakana izany, ary fantatra ankehitriny fa tsy izany no miseho satria olona vitsy ireo, hesorory ain’ny toerako aho fa izaho tsy nangataka ny ho avy eo”, hoy izy”. Anarana 3 no efa natolotra hanoloana an’ireo nesorina, ary raha vantany vao tafapetraka ireo, dia handeha ny fanadihadiana ara-pitsarana. Nambaran’ny Minisitry ny fitaterana fa manao fitsipaky ny miala aina i Rinah Rakotomanga satria ny Filoham-pirenena aza efa tsy mandray azy.

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap