airtel

Actualités

23-nov-2021

Actualités

Minisitry ny fitsarana “Tsy hamelako io tsy fahitana gadra 22 io”

Sample post image

Gadra 22 no voamarina fa tafavoaka ny fonjan’i Miandrivazo, faritra Menabe hoy ny tatitra ofisialy navoakan’ny minisiteran’ny Fitsarana omaly 22 novambra.

23-nov-2021

9 amin’ireo nandositra ireo no voafonja efa voatsara; 6 no mbola tsy voatsara; olona 7 hafa no tafiditra anatin’ireo tsy hita na “absent”. Tatitra voarain’ny minisitera ny 11 novambra 2021 ireo, taorian’ny fanadihadiana maromaro, ny fijerena ny boky sy ny voafonja rehetra, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza. “Izaho tsy mba naman’ny manafinafina ny zavatra misy fa aleo ho fantatsika. Nojerena ny boky sy ny fonnja sy ny foafonja rehetra. Tsy nisy ny fonja vaky. Tsy maintsy halefako hatramin’ny farany ny fanadihadiana momba izao raharaha tany Miandrivazo izao. Ampy, aoka izay ny famoahana gadra tsy ara-dalàna. Izaho vonona hiara-hiasa na amin’iza na iza fa anatin’ny fanarahan-dalàna. Mila haverina ny fanarahan-dalàna satria izay no ahafahan’ny olona manaja ny minisiteran’ny fitsarana, ny fandraharahana ny fonja”, hoy ity Minisitra ity. Andrasana noho izany ny ho tohin’ity raharaha ity, fa raha halalinina izany dia tena nisy ny tsikimbakomba avo lenta tamin’ny famoahana ireo gadra 22 tao amin’ny Fonjaben’i Miandrivazo.

Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap