airtel

Actualités

19-avril-2022

Actualités

Ministeran’ny rano sy ny JIRAMA “Zava-dehibe amin’ny fahazoana rano ny fambolen-kazo”

Sample post image

« Fambolen-kazo, fanarenana ny loharano, antoky ny fiveloman'ny mponina ». Io no lohahevitra ho fiaraha-mientana nosafidian’ny fitondram-panjakana amin'izao taom-pambolen-kazo 2022 izao.

19-avril-2022

Manana andraikitra lehibe amin'izany ny orinasa JIRAMA amin’ny maha orinasam-panjakana misahana ny famatsiana rano sy jiro manerana ny Nosy azy. Nisy arak'izany ny hetsika fambolen-kazo izay atao eo ambany fiahian’Andriamatoa Ravokatra Fidiniavo, Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, ary iarahan’ny fianakaviam-ben'ny JIRAMA manatanteraka miaraka amin’ny Ministeran’ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana, sy ny orinasa mpiara-miombon’antoka Mado. Velirano roa nifanaovan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka no tanterahina amin’ny fanaovana fambolen-kazo hoy ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, Ravokatra Fidiniavo dia ny velirano faharoa : « Rano ho an'ny rehetra" sy ny velirano fahafolo « Fandrakofana ala an'i Madagasikara, fiarovana ny tontolo iainana». Ny Minisitra izay nankasitraka ny fifanomezan-tanan'ny sehatra tsy miankina toy ny MADO amin’ny fanehoana fa iaraha-manatanteraka ny fampandrosoana ny firenena. Irariana hoy izy ny hitohizan'izao fifanomezan-tanana izao amin’ny sehatra hafa ankoatra ny fambolen-kazo. Zanakazo karazany « Acacia », miisa 4000 no hovolena amin’ny velaran-tany 4ha omaly. Tao Behenjy no toerana nanatanterahana izany satria efa voafaritra anatin’ny politikan’ny JIRAMA amin’ny fikajiana ny tontolo iainana fa ny fambolen-kazo rehetra atao manerana an’i Madagasikara dia tsy maintsy amin’ny sahandriaka. Safidiana manokana ny toerana manamorona ny sahandriaka mba hiarovana ny kalitaon’ny rano sy hitazonana ny nofon-tany ary ny rotsak'orana : «Iaraha-mahita fa misy fiatraikany lehibe amin’ny sehatrasan’ny JIRAMA, ny voka-dratsy ateraky ny fandringanana ny ala sy ny fandoroana tanety. Tato anatin’ny taona vitsy tokoa mantsy dia tena niarahan’ny rehetra nisedra ny tsy fahampian’ny rotsak’orana sy ny fiovaovan’ny toetrandro. Ho an’ny orinasa JIRAMA manokana dia nampandringa ny asa teo amin’ny famokarana herinaratra sy rano fisotro madio izany. Nosafidiana arak’izany ny handrakofan’ala ity toerana ity mba hiarovana ny nofon-tany tsy ho entin-driaka, sy hampitomboana ny rotsak’orana ary hanarenana ny loharano izay antoky ny fiveloman’ny mponina», hoy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eto anivon’ny orinasa JIRAMA, Radanielina Rivo, nandritra ny lahateniny.
Aina ny rano ka tokony tandrovana. Manan-danja ny fampiroboroboana ny tsingerin’ny rano mba hampihenana ny entona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) ary indrindra hitandroana ny hatsaràn'ny kalitaon’ny rano izay trandrahana, izay antoky ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa. Ity sahandriakan'Andromba ity izao dia mamokatra herinaratra azo avy amin’ny rano 2 MW ka hatramin’ny 4 MW isan’andro. Tsy ity hetsika natao ity ihany no fambolen-kazo ataon’ny orinasa JIRAMA fa manana tanjona ny hanatsatoka zanakazo 50 000 manerana ny Nosy amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikan’ny orinasa. Maro amin’ireo Direksiona iraisam-paritra sy ireo mpiara-miombon’antoka no efa nahatontosa ny adidiny tamin’ity taona ity, ka zanakazo manodidina ny 30 000 no efa voavoly hatreto. Isan’ny miantoka ny fandrakofan’ala ihany koa ankoatran’ny fambolen-kazo ny fikojakojàna sy ny fiarovana ireo zana-kazo mba tena haniry tsara. Izany indrindra no hisian’ny hiaraha-miasa akaiky amin’ny mponina manodidina fa indrindra ireo ambaratongam-pahefana rehetra ety ifotony.
Pati
Legende : Nandritra ny fambolen-kazo notanterahina
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap