airtel

Actualités

01-avril-2021

Actualités

Misaona ny hira ara-pilazantsara Nodimandry i Ndriana Ramamonjy

Sample post image

Nodimandry omaly hariva ny mpanakanto, mpamoron-kira andrarezin’ny hira ara-pilazantsara Malagasy, Ndriana Ramamonjisoa.

01-avril-2021

 

Araka ny fampitam-baovao voaray dia isan’ireo lavon’ny valanaretina Coronavirus ny tenany. Mpamoron-kira ho an’ireo mpihira ara-pilazantsara maro, indrindra, ireo nanamarika ny taona 1990, I Ndriana Ramamonjy. Isan’ireo novolavolainy tao anatin’izany ry Hantatiana sy Fara Andriamamonjy. Isan’ireo nametrahany dian-tanana koa ny hira ao anatin’ny fihirana fanampiny FFPM. Malaza indrindra amin’ireny ny “Andriamanitra fitiavana”. Ny taona 2017 ny tenany no notolorana ny mari-boninahitra “Commandeur de l’ordre des arts et des lettres » ary 34 taona nisehatra teo amin’ny tontolon’ny hira ara-pilazantsara sy famoronan-kira fanabeazana maro izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.

 J. Mirija

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap