airtel

Actualités

09-juin-2022

Actualités

Miteny ny dokotera Tsy mbola vita eto ny famindrana taova

Sample post image

Diso malaza loatra eto amintsika efa ho iray volana izao ny resaka halatra taova sy ny famindrana taova. Nitarika izany voalohany ny halatra voamaso nahazo ireo ankizy maromaro tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny.

09-juin-2022

Nitohy tamin’ny fakana an-keriny ireo tovovavy teto an-drenivohitra izany izay fantatra fa nisy nalaina ra ny sasany….Rehefa nanontaniana ny mikasika io trangan-javatra io dokotera Fidy Bariniaina omaly dia nambarany fa mbola tsy vita eto amintsika ny halatra taova sy ny famindrana taova. Ho an’ireto roa farany mantsy raha araka ny fanazavany dia tsy maintsy ilana toeram-pandidiana goavambe avokoa fa tsy vita eny am-pandehanana araka ny resaka mandeha izany. Ho an’ireo olona hampifamindrana taova dia nambarany fa samy tsy maintsy miditra ao amin’ny toeram-pandidiana avokoa izy ireo amin’ny fotoana iray na ilay hakana taova izany na ilay hampidirina taova. Tsy mbola vita eo amintsika daholo anefa izany rehetra izany hoy hatrany dokotera Fidy Bariniaina fa tsy maintsy any ivelany avokoa. Ny famindrana voa hoy izy no efa re fa mety hisy eto saingy mbola tsy tanteraka. Nomarihiny araka izany fa alain’ireo mpanao izany mba hanaovana fanompoan-tsampy ireny maso hangalariny….ireny.
Pati
Legende : Ny dokotera Fidy Bariniaina diso fantatry ny maro loatra !
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap