airtel

Actualités

03-mai-2021

Actualités

Mitohy 15 andro ny fahamehana Niakatra ho 6 ny faritra mikatona tanteraka

Sample post image

Rehefa nifandinika tamin’ireo filohana andrim-panjakana, dia nahatsapa, fa mila tohizana ny ezaka,

03-mai-2021

 

ka mbola mitoetra ny fahamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro, hoy ny Filoha Rajoelina omaly. Voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 50. Mbola mikatona ny faritra Analamanga, Atsinanana, SAVA. Akatona tanteraka ny faritra Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Anosy, manomboka ny alarobia 5 mey. Mihatra hatrany ny fihibohana sabotsy sy alahady ho an’ny faritra mikatona. Noho ny ezaka nataon’ny faritra hafa, dia misokatra manomboka anio ny Faritra Boeny sy Nosy Be, saingy entanina hanaja ny fepetra. Nidina ny olona nitondra ny tsimokaretina satria ny 4-18 aprily, dia miisa 7226 ny tranga; 4830 ny 15 andro farany. Ny olona sitrana 15 andro voalohany 3444, ary ho an’ny 6265. Tovovavy 25 taona sy tovolaly 32 ny zandriny indrindra tamin’ny maty, ary 86 taona ny zokiny indrindra, hoy ny Filoha. Mijanona tanteraka ny sidina manerana ny Nosy sahanin’ny Tsaradia manomboka ny 5 aprily satria ny fisian’ny sidina na olona nakany amin’ny faritra no nampiparitaka ny tranga tany amin’ny faritra. Mikatona ny zotra nasionaly ho an’ireo faritra 6. Tsy tokony hisy ny fisakanana ny fitaterana entana sy vokatra. Tsy tokony hisy ny fandrodanana na fandroahana olona amin’ny tranony amin’izao fahamehana izao. Hisokatra anio alatsinainy 3 aprily ny CTC-19 eny Andoharanofotsy eny amin’ny Masera ISTS. Misokatra anio ny Hotely-Hopitaly eny amin’ny Panorama. Hisokatra ny CTC-19 Antsirabe Fianarantsoa, Tolagnaro. Hiditra amin’ny telo fahatelo ny fampianarana. Mihatra ny “couvre-feu” amin’ny 9ora alina-4ora maraina, mikatona ny bar, espace, karaoke, misokatra ny “restaurant” saingy ny antsasaky ny zakany ihany no raisiny. Mbola mikatona ny fiangonana sy moske, fa mahazo ampaham-potoana ao amin’ny TVM sy RNM. Tsy afaka mijanona 30 minitra ny olona iray mitondra am-bavaka ny marary mitety azy ireny. Mitohy misokatra amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 5ora hariva ny tsenam-pokontany. Olona iray ihany no tokony hiantsena. Tsy azo atao na mivoaka na miditra ny faritra mikatona ny razana, ary tanterahina ny andro nitrangan’ny fahafatesana ny fandevenana. Tsy miasa ny olona marefo. Ho an’ny orinasa mampiasa olona mihoatra ny 500 amina toerana iray dia ny antsasany ihany no miasa ao anatin’ny iray andro. Mikatona ny sisin-tany, fa azon’ireo firenena vahiny atao hatrany kosa ny mampody ny terataniny.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap