airtel

Actualités

29-déc-2021

Actualités

Mitohy ny trafika goavana Volamena 49kg sarona tany Kaomoro

Sample post image

Nahatrarana bologam-bolamena milanja 49kg be izao indray tatsy amin’ny Nosy Kaomoro omaly talata 28 desambra 2021.

29-déc-2021

Ny zandarimariam-pirenena no nahasarona an’io tao amin’ny seranam-piaramanidina AIMPSI (Aeroport International Prince Ibrahim) ao Moroni. Olona miisa telo no voasambotra tamin’ny fitondrana an’io, ka teratany Malagasy ny roa tamin’ireo. Tsy tena misy aloha ny antsipiriham-baovao navoakan’ny Kaomorianina, saingy ny siosio, dia saika hanofa “jet privé” na fiaramanidina manokana ireo sarona. Herintaona katroka latsaka telo andro taorian’ny raharaha trafikam-bolamena milanja 73,5kg tatsy Afrika Atsimo ny 31 desambra 2020 no miseho ny trafika nahatrarana teratany Malagasy miisa roa tatsy Kaomoro ity, izay ahafahana miteny hatreto fa ny volamenan’I Madagasikara hatrany itony misy mitaona sy manondrana antsokosoko itony. Endrika iray toa maneho hatrany fa mibanaka ny sisintanin’I Madagasikara, mivoaka an-tsokosoko ny harem-pirenena. Ireny niaraha-nahita ireny ny trafika samihafa tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina na ahiahy amin’ny fisiana olona ambony heverina ho manao izany, nahavoatonona olom-boafidy teo aloha teo. Nisy tamin’ireo fahatratarana trafika vao haingana aza moa no voalaza fa efa voasambotra tany aloha. Mety ampahany ihany ireny tratra ireny, ary raha toa ka henjakenjana ny trafika an’habakabaka, dia toa mibanaka kosa ny an-dranomasina. Nalaza tamin’iny volana septambra iny ny fitsoahana mpanao politika nihazo ny Nosy manodidina avy eo niporitsaka mora foana nakany Eoropa, ary heverina fa mitovitovy amin’izany ny mety ho endriky ny trafikana harem-pirenena amin’izao. Raha voafehy ny harenantsika sy hay ny misitraka ny harena eto, tsy ho toy izao ny firenena.

VERY AN-JAVONY HATRANY…
Herintaona aty aorian’ny trafikana volamena 73,5kg tratra tatsy Afrika Atsimo, izay tsy nisy vokatra tena azo na nolazaina aza fa hampodiana mialohan’ny 12 janoary 2021 aza, dia hatramin’izao toa tsy hita ihany, ary efa naman’ny vitavita ho azy. Tsy mahomby ny diplaomasia Malagasy amin’ny famerenana ireny harena tratra ireny. Tsy vao io volamena 73,5kg no tsy tafody, fa efa nireharehana sy nolazaina tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny 7oktobra 2020 ihany koa ohatra ny momba ny volamena 25,5kg niaraka tamina lelavola 7000euros tatsy Maurice ny 10 janoary 2019, saingy efa ho roa taona taty aoriana tsy misy vokatra. Tamin’ny jolay, kaontenera 8 feno vato sarobidy sarona tany Toamasina, ny 19 oktobra nahatrarana vato sarobidy mitentina 500 000 dolara mahery tratra teny Ivato, ny 22 oktobra no nisy 23,5kg sarona tany Seychelles niainga tamina sambokely avy ao Nosy Be,… Tsy hita izay tohinin’ireny. Saika ireo madinika sy irakiraka ihany koa no manefa amin’ny trafika toy izao, fa ireo tena atidoha toa afa-bela hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap