airtel

Actualités

03-juin-2024

Moana very hita tao Soavimbahoaka

Milaza ho nampijalian’ny olona nipetrahany

Sample post image

Milaza ho nampijalian’ny olona nipetrahany ilay vehivavy moana very hita tao Soavimbahoaka,

03-juin-2024

kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano afak’omaly sabotsy 01 jona lasa teo. Ny soratsoratra nataony tamin’ny tany sy ny fihetsiny no nahafantarana izany raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany. Mbola tamin’ny alalan’ny fihetsika ihany koa no nanehoan’ity Ramatoa moana ity fa betrohan’ilay olona nipetrahany izy rehefa mampirehitra afo…Harona kely no any aminy raha tsy misy taratasy hahafantarana azy kosa na ireo fianakaviany. Mbola tazonin’ny Sefom-pokontany ao aminy noho izany ity vehivavy ity hatramin’ny omaly Alahady hariva fotoana nanoratanay. Ny fokonolona tao Soavimbahoaka moa raha tsiahivina no nahita ity vehivavy moana ity nirenireny teny an-toerana ka nanatitra azy tao amin’ny Fokontany. Ho an’ireo mahafantatra na mahalala ny fianakaviany dia afaka miantso ny laharam-pinday 0345926058.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy moana very hita ao amin’ny Fokontany Soavimbahoaka
 

Dans la même rubrique

14-févr-2025

Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.

Card image cap
14-févr-2025

Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.

Card image cap
14-févr-2025

Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny

Card image cap
14-févr-2025

Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny

Card image cap
14-févr-2025

Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.

Card image cap
14-févr-2025

Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia

Card image cap