airtel

Actualités

20-juin-2022

Actualités

Morondava Trano manarapenitra efa ho 1000 tapitrisa ariary nitriatra

Sample post image

Nitriatra sy vaky ary an-dalam-pirodanana ny Tranoben’ny serasera sy ny Kolontsaina ao Morondava Faritra Menabe.

20-juin-2022

Tafiditra ao anatin’ireo fotodrafitrasa vao natao ary efa voaloko volomboasary sy voloparasy io. Nandaniana vola tsy toko tsy forohana anefa izany satria nahatratra 1000 tapitrisa Ar latsaka kely (999 896 423) ny nanaovana izany. Vao niseho io tranga io, nikorapaka ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina nampahafantatra fa tsy mbola notokanana ary tsy mbola miasa akory ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Morondava. Tsy mbola nisy ihany koa ny fandraisana vonjy maika na « réception provisoire » natao manamarika ny fahavitan'ny asa. Misy olana lehibe ny nananganana ny fotodrafitrasa satria rehefa vita ny taotrano dia nanomboka nisy triatra, izay marihana fa tsy ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina irery no tratrany fa ireo fotodrafitrasam-panjakana maromaro hafa miorina eo amin'io tany io izay tanin'ny Faritra, hoy ny fampitam-baovao. Efa tamin'ny fiandohan'ny volana jona teo no nidina tany ny tompon'andraikitry ny orinasa nahazo ny tsenan'asa fanamboarana ary efa nitady ny vahaolana hamerenana amin'ny laoniny ny asa. Sarotiny amin'ny kalitaon'ny asa fanamboarana ny Minisitera ka tsy afaka hanaiky asa vita tsy mifanaraka amin'ny bokin'andraikitra, hoy ny fampitam-baovaon’ny Fitaleavana Misahana ny Fifandraisana amin'ny Daholo be. Maro kosa etsy andaniny no manao vazivazy fa efa tandindon’ny ho avy politikan’ny fitondrana ankehitriny itony toe-javatra itony. Rehefa tsy hety izay tokoa ny atao, ny ranon’apango aza misy voay.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap