airtel

Actualités

11-juil-2022

Actualités

Mpampianatra roa nohelohina higadra 10 taona Nahenan’ny fitsarana ambony 5 taona sazy mihantona

Sample post image

Navoaka ny fonja ny alakamisy 07 jolay 2022 ireo mpianatra roalahy notondroina ho namotika ny sekoly CEG manara-penitra tao Ambodiampana any Bealanana ny 16 aprily lasa teo, raha ny vaovao azo avy any an-toerana.

11-juil-2022

Izy ireo izay voalaza fa tondro molotra no nandetehana azy, ka nohelohin’ny fitsarana ambaratonga voalohany higadra 10 taona sazy mihatra. Tsy faly tamin’izany anefa ireo fokonolona, ka nijoro nitaky ny hamoahana azy ireo, nanamafy fa tondro molotra sy lonilony no nandetehana azy ireo. Nitaky fanadiadiana lalina ny mponina mba hivohahan'ny tena marina. Tonga hatrany amin’ny hoe: horaisin’izy ireo ny fanamboarana ny simba, ka nandeha hatramin’ny tsipaipaika nahangonana vola 1 735 000Ar mba hanamboarana izay voalaza fa simba. Nandeha ihany koa ny fampiakarana ny raharaha tany amin’ny Fitsarana ambony “Cour d’appel” tao Mahajanga. Nivoaka ny talata 05 jolay teo ny didy, ka nampihena ny sazin’izy ireo ho 5 taona sazy mihantona na “sursis” taorian’io fampiakarana natao io. Nivoaka ny fonja izany izy miralahy ireo, saingy mbola tataovan-tsazy mihantona noho ity raharaha ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap