airtel

Actualités

13-oct-2021

Actualités

Mpanao gazety - “Cellule de crise” “Hanangana rafitra mahaleo tena izahay”

Sample post image

Arakaraka ny maha atomotra ny fotoana voatondro hanaovana ny fifidianana izay ho Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) ny sabotsy 16 oktobra izao no vao mainka mihalalina ny tsy fitovian-kevitra.

13-oct-2021

 Manamafy ny fitakiana ny fanafoanana io fifidianana tondroin’izy ireo ho tsy ara-dalàna io ireo ao anatin’ny “Cellule de crise”, araka ny fanambaran’izy ireo omaly tetsy Antananinarenina. Nambaran-dry Fernand Cello sy Princie Ramanantsoavina omaly, fa ilay kandida tokana aza tsy vonona amin’ny firotsahan-kofidiana, fa ny ministeran’ny serasera no manery azy, tsy finiavana avy aminy ny fampielezan-kevitra fa avy amin’ny Minisiteran’ny serasera,... Nisy ny famoahana horonam-peo nifanaovan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana tetsy amin’ny Karibotel ny herin’ny alahady teo. “Tany Tsiroanomandidy nofitahina ny mpanao gazety ho tonga, ary rehefa tonga tao dia noterena hanao fanambarana. Vao misy namana mijoro dia rahonana hoe horoahinay ianareo na hafindra toerana”, hoy I Fernand Cello. Noho ny zava-misy, nametraka fangatahana fihaonana tany amin’ireo filohana andrim-panjakana hatrany amin’ny Filoham-pirenena hampahafantarana ny dingana rehetra efa nolalovan’ny OJM tao anatin’ny fifandirana mandritra ny herintaona sy tapany ireo mpitarika ny “cellule de crise”. “Izahay dia mahatoky sy mino fa olon-kendry ireo tsy handà ireo fihaonana. Rehefa hanao zavatra izy ireo dia miantso ny mpanao gazety, ka anjaran’ny mpanao gazety indray izao no mba mila azy”, hoy I Princie Ramanantsoavina. Nambarany fa tsy maintsy hanangana ny rafitra hivondronan’ny mpanao gazety ireo ao anatin’ny “cellule de crise” mba ho fiarovana ny mpanao gazety, ka manaitra ny mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy ho tonga amin’ny 16 oktobra amin’ny fananganana io rafitra mahaleo tena io, ka hatomboka eto Antananarivo sy hovelarina any amin’ny faritra io. Samy mandrirotra ny heviny avy ny andaniny sy ny ankilany hatreto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap