Efa manomboka misakafo ihany koa izy raha araka ny loharanom-baovao azo. Na izany aza anefa dia mbola betsaka ireo ilain’ny fianakaviany sy ny vady aman-janany vola entina hikarakarana ny fahasalamany. Anisan’ireny ny fanafodiny….Manoloana io tranga io dia hikarakara tolo-tanana ho azy ny Fikambanan’ny mpanao gazety tanora na ny Association des jeunes journalistes de Madagagascar. Etsy amin’ny toeram-pisakafoanana Au bon Acceuil Ambatonakanga no hanatanterahana anio alarobia 20 aprily manomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva. Ankoatra ireo mpanao gazety izay efa hisaoran’ny fikambanana sahady tamin’ny tolo-tanana sy ny vavaka nasandrany dia miantso ny rehetra ihany koa ny AJJM mba ho avy hanohana ny antson’izy ireo amin’ity tontolo andro ity.
Pati
Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,
Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,
Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:
Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,