eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa toe-javatra tsy ara-drariny mihatra aminy. Naneho ny alahelony, ka nanao antso miantefa amin’ny Filoham-pirenena, ny Praiminisitra, ary ny Fitsarana ny Mpandraharahan'ny fonja manoloana ireo namany maro voatazona am-ponja, izay lazain’izy ireo fa amin'ny tsy rariny. Tsongaina manokana, hoy izy ireo, ny fanenjehana eny anivon'ny PAC (Pôle Anti-Corruption) saika manerana ny Nosy fa indrindra ny ao Mahajanga. « Saika "accident de travail" na "faute professionnelle" avokoa no nahazo azy ireo kanefa natao "forcing" ho lasa "affaire pénale", tena mampalahelo ny zava-misy satria tsy nanao "détournement de fonds" na "détournement de deniers publics" izy ireo, tsy nanao "corruption passive", tsy nangalatra, tsy namono olona, tsy nadatsadràn'olona, tsy nanolana fa dia izao niafara ho "affaire PAC" nidirana am-ponja izao. », hoy hatrany ireo mpandraharahan’ny Fonja izay manana ny Sendikany dia ny SPAPM. Raha ny antontan’isa, eo amin’ny 08 ireo Mpandraharahan'ny fonja nambaran’izy ireo fa manana dosie eo anivon'ny PAC-n'i Mahajanga raha toa ka 03 amin'izy ireo no ao amin'ny Fonjaben'ny Mahajanga fa ny sasany kosa amin'ny Fonja hafa, ...... Efa misy amin'izy ireo no efa nahazo sazy nanao fampiakarana, ao ihany koa ireo nanao fandravana didy ka miandry didy amin'ny Alatsinainy hoavy izao, izany indrindra no hanaovana an'izao antso avo fitarainana izao mba hijerena akaiky azy ireo. Iarahan'ny rehetra mahalala fa miasa amin'ny toeram-mpiasana tsy ara-dalàna tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy ny mpandraharahan'ny fonja eto Madagasikara, ny fotodrafitrasa efa ratsy sy simba avokoa, ireo voafonja tsy mitsahatra mitombo hatrany, ny fampitaovana tsy zarizary ary ny mpiasa tsy ampy kanefa raha misy ny "accident de travail" kely mahazo ny mpiasa na "faute professionnelle" dia fanagadrana, famonona sy famotehana avy hatrany no misy, hoy hatrany ireo mpandraharahan’ny fonja. Amin'ny asam-panjakana, raha misy hoy izy ireo ny fahadisona arakaza ataon'ny mpiasa dia tokony Filankevi-pifehezana na « CODIS » no misy manamarina na mandiso ny tranga nisy ka raha voamarina fa diso ny mpiasa dia « sanction administrative » no mety ho hisy (affectation, abaissement de grade,.... sns). Manamarika ireo mpandraharahan’ny fonja fa 27 000 mahery ny voafonja amin'izao nefa ny fotodrafitrasa misy dia nomanina ho an'ny voafonja 11 000, izany hoe tena efa feno mihoatra ny tokony izy ny fonja rehetra eto amitsika, etsy akilany mbola tsy "opérationnel" ny sasany amin'ireo Fonja vaovao nataon'ny fanjakana. Fa ny tena mampalahelo sy tena mahakivy ny mpiasa amin'ity tranga ity dia ny mpitsara mpiara-miasa akaiky no sady minisitera iray aminay ihany, hoy izy ireo, no lasa natao fitaovana hamonona sy hamotehana ny fiainan'ny Mpandraharaha ny Fonja. Mitaky ny hijerena izany rehetra izany izy ireo. « Tsy hijanona ny fitakiana raha tsy misy ny vahaolana fa na izany aza dia mino izahay fa hijery akaiky ity raharaha ity ny fitondram-panjakana indrindra fa Minisitra izay Ray mpiahy Anay", hoy ireo mpandraharahan’ny fonja.
Toky R