airtel

Actualités

06-août-2021

Actualités

MPIASAN’NY KAOMININ’I TOAMASINA “Tara lava ny karama, esory ireo manaonao foana”

Sample post image

Tara lava ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina ambovohitr’i Toamasina. Mahatsiaro ho tena sahirana izy ireo noho izany, antony nanaovana fitokonana omaly.

06-août-2021

 Raha araka ny fantatra dia ny mpiasa raikitra karama noraisina farany tamin’ny volana Aprily 2021, ny journalier volana Jolay 2020 no tena miaina izany. Raha araka ny fitarainan’ireto farany dia vokatry fitantanana gaboraraka no mahatonga izany. Ny kominin’i Toamasina I anefa hoy izy ireo no kaominina manana fidiram-bola betsaka indrindra manerana an’i Madagasikara. Fanampin’izay hoy ireo mpiasa dia efa tsy takona afenina tahaka ny vay an-kadrina ny fitarainam-bahoaka ao Toamasina ny amin’ny hafitsoky ny tomponan’andraikitra sasan-tsasany eo anivon’ny kaominina ny amin’ny fihetsika tsy voahevitra hataony eo am-panatanterahana ny asany. Takian’ireto mpiasa ireto amin’ny Ben’ny tanana araka izany ny tokony hanoloana ireo tompon’andraikitra izay heverina fa tsy vonona ny hampandroso ny tanana ireo.
Nangonin’ i Pati

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap
22-avril-2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Card image cap
19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap