airtel

Actualités

27-janv-2021

Actualités

Mpiasan’ny Kraomita Malagasy Nampanantsoin’ny prefe ireo mpitokona

Sample post image

Tonga hatrany amin’ny fampiantsoan’ny prefen’ny polisy eto Analamanga ny

27-janv-2021

 

 

 

fitokonana tanterahin’ireo mpiasa miisa 400 eo anivon’ny orinasa Kraomita Malagasy na ny KRAOMA. Ny faran’ny herinandro teo no nahazo ny taratasy fampiantsoana mifandraika amin’izany ny solontenan’ny mpiasa. Anisan’ny antony fampiantsoana raha araka ny fanazavan-dRajoelison Evariste, solontenan’ny mpiasa ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fitokonana tanterahin’izy ireo. Izahay anefa hoy izy tsy eny ivelany no mitokona fa ato anatin’ny foiben-toeran’ny orinasa. Ankoatra izay hoy izy dia ny inspection de travail no nangatahana alalana ka efa nilaza izy ireo fa raha tsy misy manohitra ao anatin’ny 48 ora, fotoana hametrahana izany ilay fangatahana dia azo tanterahina soamantsara. Tsy nisy nanohitra izany hoy hatrany ity solontenan’ny mpiasa ity ka notanterahinay saingy ny mahavariana hoy izy dia andro maromaro aty aoriana vao lazaina fa tsy ara-dalana ilay fitokonana. Nomarihin’izy ireo moa fa efa 11 volana izao no nanatanterahany ity fitokonana ity ary tsy ho reraka izy ireo raha tsy azony ny karamany rehetra arahin’ny fampiodinana ny orinasa. Mikasika ireo olona 13 miara-dalana amin’ny mpitantana ankehitriny dia nomarihiny fa be noho ny vitsy izy ireo ka tsy misy mampanahy ny momba azy rehefa tsy hiara-hitaky amin’ny besinimaro. Tsiahivina moa fa nandefa taratasy fangatahana fanazavana teny anivon’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana PCA teny Ambohitsirohitra izy ireo ny faran’ny herinandro hatramin’ny Alatsinainy teo saingy tsy tratra hatrany ity tompon’andraikitra iray ity.

 

Pati

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap