airtel

Actualités

29-janv-2021

Actualités

Mpifindra monina avy any atsimo Tafakatra 1.450 tamin’ity taona ity

Sample post image

Tafakatra 1.450 ireo mpifindra monina avy any Atsimo niala tamin’ny toerana

29-janv-2021

 

 

 

 

niaviany tamin’ity taona 2021 ity. Isan-taona anefa raha araka ny fanazavana azo omaly dia manodidina ny 300 ka hatramin’ny 400 ihany izy ireo, ary manana saran-dalana handehanana hifindrana monina mamonjy ireo fianakaviany mihitsy. Noho ny fahasahiranana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 anefa dia tsy nahita vahaolana intsony izy ireo ka vao mainka nitombo isa, indrindra fa ny zaza amam-vehivavy. Raha araka ny fantatra moa dia efa nisy ny andraikitra noraisin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ka ho an’ireo tonga tetsy amin’ny Fasan’ny karana ohatra dia nisy ny trano lay lehibe nametrahana azy ireo narahin’ny famatsiana sakafo. Nirodana tampoka anefa io trano lay io ka efa nifanome tanana amin’ny fanarenana izany ny fikambanana Vokovoko mena Malagasy. Toraka izany koa ireo tany Fianarantsoa. Raha araka ny fantatra moa dia fianakaviana miisa 1500 voakasik’izany no noraisina an-tanana ka anisan’izany ireo lasa any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy.

Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap