airtel

Actualités

29-juil-2021

Actualités

Mpisehatra momba ny sakafo Malagasy Mafimafy ny niainana ny hamehana

Sample post image

Nisokatra omaly ary hifarana ny sabotsy 31 jolay izao etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny hetsika varotra fampiratiana ahitana ireo vokatra Malagasy miompana amin’ny resaka sakafo na ilay hoe

29-juil-2021

 “Kaly Malagasy maha salama”. Araka ny fanazavan’i Miantsa Stephanie Ratrimoson, isan’ireo mpikarakara ny hetsika, dia ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpisehatra rehetra eo amin’ny lafiny sakafo no hiseho eny an-toerana, izany hoe, manomboka amin’ny mpamboly hatrany amin’ny mpamokatra sy mpanodina vokatra ary tafiditra ao anatiny koa ny tontolon’izay resaka sakafo izay rehetra, toy ny fanaingoana latabatra sy ny resaka fitaovam-pihinanana. Miisa 40 eo ireo mpandray anjara ary iandrasana mpitsidika hatrany amin’ny 3000 isa isan’andro. Mpampiranty voafantina manaraka ny kalitao sy fenitra ara-tsakafo izy ireo, indrindra moa, fa anaty ahamehana ara-pahasalamana isika izao. Mafimafy ny niainana ity ahamehana ity, indrindra, tao anatin’ireny fihibohana ireny satria tsy nisy fotoana nahafahan’ireo mpantsehatra nihetsika mihitsy. Ny mpanjifa koa tsy afaka nanjifa vokatra araka ny tokony ho izy. Amin’izao fotoana izao izahay no manomboka mitady fomba sy sehatra ahafahanay mampiseho ny vokatray sy manatona ireo mpanjifa indray, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap