airtel

Actualités

03-août-2021

Actualités

Mpisoloky volamena Olona avy any Tolagnaro no mpaniraka

Sample post image

Lehilahy iray 36 taona mpisoloky rain-dahiny amin'ny resaka volamena sandoka eto an-drenivohitra no sarona soa aman-tsara 31 jolay lasa teo.

03-août-2021

 Raha tsiahivina ny tantara dia nisy olona tonga nametraka fitoriana tao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Mahamasina fa voasoloky tamin’ny resaka volamena sandoka. Nanokatra fanadihadiana sy nikaroka ity mpisoloky ity avy hatrany ny polisy taorian’izany. Fantatra tamin'ny famotorana natao tamin’ilay mpisoloky fa olona avy any Tolagnaro no naniraka azy hitondra ireo volamena sandoka ireo hamidy eto an-drenivohitra. Tsy vao izao izy ireo no nanao izany asa ratsy izany fa efa am-bolana maromaro ary efa betsaka ireo olona efa voafitaka tamin'izany raha araka ny fantatra hatrany. Rehefa nosavaina ity lehilahy ity dia mbola nahitana ireo vovo-bolamena hosoka saika mbola hamitahany olon-kafa indray. Niaiky ny heloka nataony ny lehilahy ary natolotra ny Fitsarana omaly ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap