airtel

Actualités

19-janv-2021

Actualités

Mpitrandraka harena an-kibon’tany 4 tapitrisa ny isany, tsy manana taratasy ny ankamaroany

Sample post image

Mahatratra 4 tapitrisa eo ho eo ny isan’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao.

19-janv-2021

 Olona mahafantatra fa misy harena ao amin’ny faritra misy azy ary mitrandraka avy hatrany izany mba hahafahany mivelona ny ankamaroan’izy ireo fa tsy manana taratasy ara-dalana. Tamin’ny fotoanan’ny fihibohana tamin’ny taon-dasa raha ny nambaran’izy ireo no tena nampitondra faisana azy. Tsy nisy afaka nandray ny entana izay efa notrandrahan’izy ireo mantsy ireo mpandray ny entany ankoatra ny tsy fahafahana nivoaka ny trano. Hamondrona ny heriny hanatsara ny ho aviny izy ireo araka izany. Anisan’ireny ny fidirana amin’ny ara-dalana amin’ny alalan’ny fangatahana alalana avy amin’ny Ministera mpiahy sy ireo ambaratongam-pahefana rehetra. Tsiahivina moa fa any amin’ny faritra no tena betsaka ahitana ireo mpitandraka madinika. Misy amin’izy ireny no vehivavy miaraka amin’ny zanany, tsy mandry andro aman’alina mikaroka izay mahasoa ho an’ny ankohonany.

Pati

 

  

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap