airtel

Actualités

11-août-2021

Actualités

Mpitsabo Malagasy FITRAMA Rariny sy hitsiny ny ataon’ny ministera

Sample post image

Tafiditra ao anatin’ny lalàna mifehy ny mpitsabo nentim-paharazana ny tsy fahafahana na fahazoan’izy ireny manao dokam-barotra.

11-août-2021

Nandefa taratasy tamin’ireo ivon-toeram-pitsaboana voakasik’izany indray ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka raha araka ny fantatra ary mbola nampahatsiahy fa voararan’ny lalàna ny fanaovana izany dokam-barotra izany. Nankasitraka izany feno Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA .
MPANDRAHARAHA
Tsy mpitsabo ary tsy ho mpitsabo mandrakizay aho hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina raha naneho ny heviny mifandraika amin’izany izy. Mpandraharaha no asako hoy izy ary mandoa hetra ara-dalàna amin’ny fanjakana aho no sady manana taratasy ara-dalàna amin’ireo orinasa FITRAMA manerana ny Nosy. Ho azy manokana raha araka ny fanazavany hatrany dia efa in’efatra nantsoina teny anivon’ny DPNLMT ny tenany, sampandraharaha iray misahana sy mandray an-tanana ny fitsaboana nentim-paharazana eto amintsika eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Zavatra roa loha no tena tsy azo hatao ao anatin’ity asa fitsaboana ity hoy izy toy ny fampisehoana fanafody raha eo ihany koa ny fanaovana fampiharana tsy ara-dalàna. Tsy afaka miditra ho mpikambana ao anatin’ny ANTM na ny fikambanana hivondronan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika mihitsy mantsy hoy izy ny mpitsabo nentim-paharazana iray raha tsy mitsabo ary hamarinin’ny sefom-pokontany sy ny Ben’ny tanana izany miaraka amin’ny observation clinique izay hanaporofoan’ireo marary fa tena sitrana soa aman-tsara tao amina ivon-toeram-pitsaboana nentim-paharazana iray tokoa ny tenany. Mbola mandalo any amin’ny CSB II izany hoy izy, jeren’ny medecin inspecteur ihany koa izay vao eken’ny ANTM.
TSY MAMPIASA FITAOVAN’NY DOKOTERA
Ho an’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manokana dia fantatra fa tsy mampiasa ny fitaovana fampiasan’ny dokotera mihitsy izy ireo. Toraka izany koa ny fitaovana hampiasan’ny ivon-toeram-pivarotam-panafody na farmasia hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Tsy mivarotra fanafody ihany koa izahay hoy izy no sady tsy mitsabo marary any an-tokantranony. Tsy maintsy manatona ny FITRAMA ilay tsy salama hoy izy hahafahana mamantatra izay tena foto-tr’aretiny, tsaboina izy aorian’izany ary tsy maintsy arahi-maso. Mamporisika ny mpitsabo nentim-paharazana rehetra araka izany Rafanomezantsoa Jean Nirina fa samy hanara-dalana. Miantso ireo maniry ny hiantsehatra amin’ity asa ity ihany koa ny tenany mba tsy hanao antsirambina ny observation Clinique izay tena zava-dehibe tokoa eo amin’ny sehatry ny fitsaboana.
HANAO TOMBAN’EZAKA
Hifantoka tanteraka amin’ny fanatsarana bebe kokoa ny asa sahaniny amin’izay araka izany ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA. Vita izay ny fihibohana hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, fotoana nahatsapana ny fahaizan’ny Malagasy tamin’ny fampiharana ny fitsaboana nentim-paharazana no sady nahafahana nanavotra aina mpiray tanindrazana maro koa. Fandresena lehibe ho an’ny firenena Malagasy sy ny fitsaboana nentim-paharazana izany hoy izy koa isaorana feno ny Filoham-pirenena. Hiroso amin’ny fanaovana tomban’ezaka araka izany ity ivon-toeram-pitsaboana iray ity ka anisan’ny asa hosahaniny ny fanaovana ho ara-dalana ireo taratasim-panjakana rehetra raha toraka izany koa ny fanarahan-dalàna. Ho an’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA sy ny HAFARI manokana moa dia nomarihiny fa manaja ny tany tan-dalana izy ireo no sady manandratra ny maha-Malagasy. Na izany aza dia notsiahiviny fa manana zo hisafidy ny toerana hitsaboany ny tenany ny tsirairay tahaka ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny Covid 19 ihany. Mikasika ny dokam-barotra manokana moa dia nanamafy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa ny observation clinique efa vitany dia efa dokam-barotra ho azy ireo. Toraka izany koa hoy izy ireo olona tsy salama nahazo fahasoavana tao amin’ny FITRAMA ka mitantara izany amin’ireo fianakaviany.
IREO TOERANA MISY NY FITRAMA
Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy : Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222869. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 19. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135719. FITRAMA Ampanihy : 0343135719. FITRAMA Morombe :0343135719. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0344325286. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454064. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 034 09 840 70. FITRAMA Andoharanofotsy : 0348102943. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerinafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Pati
Legende : Tsy misora-tena ho mpitsabo aho fa mpandraharaha hoy i Rafanomezantsoa Jean Nirina.
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap