airtel

Actualités

31-août-2022

Actualités

Mpivarotra hani-masaka Tsy misy ny tsena, be loatra ny mpifaninana

Sample post image

Feno mpivarotra ny tanana. Tsy misy toerana izay tsy ahitana azy ireny intsony na eny an’elakelan-trano na eny amoron-dalana.

31-août-2022

Ireo mpivarotra hani-masaka hatreto no tena maro an’isa indrindra toy ny mpivarotra kiendieny mandehandeha, ireo mpivarotra composé sy lasopy, ny mpivarotra vary masaka mitety tsena…. Vokatr’ireny rehetra ireny dia mahatsiaro ho sahirana ireo mpivarotra hani-masaka mandoa vola amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Be loatra ny mpifaninana hoy izy ireo ka tsy toy ny teo aloha intsony ny tsena. Raha 3.000 Ar mantsy ny vary iray lovia amin’ireny tsena mandoa vola amin’ny kaominina ireny dia 1.500 na 2.000 Ar dia efa mahazo vary iray lovia ho an’ireo mitondra sobika mandehandeha izay sady misy sakay no miaraka amin’ny lasary kely… Zara raha mahazo 50.000 Ar isan’andro sisa araka izany ireo mpivarotra hani-masaka mandoa vola amin’ny kaominina eto amintsika raha tsy ampy nalainy ny 100.000 Ar isan’andro teo aloha. Voatery nampihena ny habetsaky ny sakafo hamidiny indray araka izany ireo mpivarotra mandoa vola amin’ny kaominina. Tsy maintsy hohanina mantsy ireny sakafo ireny rehefa tsy lany nefa ny mason-karena tsy tafaverina. Marihina moa fa mariky ny fahantran’ny firenena iray ny hamaroan’ireo mpivarotra ao aminy. Anisan’izany isika eto Madagasikara izay efa mitady ho lasa mpivarotra ny an-tsasa-manilan’ny mponina.
Pati
Legende : Lasa mivarotra hani-masaka avokoa ny ankamaroan’ny olona amin’izao 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Trano manodidina ny 5 isa, ahitana fianakaviana 20 samihafa no fantatra fa misy

Card image cap
15-avril-2024

Nanontany ahy ny fiadidiana ny fananan-tany na «domaine» hoe ahoana ny mahakasika ilay

Card image cap
12-avril-2024

Tsaboina ao amin'ny CHRR Maintirano ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolanana,

Card image cap
12-avril-2024

Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika.

Card image cap
12-avril-2024

Niakatra fitsarana omaly Alakamisy 11 Aprily raha ny loharanom-baovao azo ilay raharaha

Card image cap