airtel

Actualités

22-mai-2024

Mponin'Andavamamba sy Manarintso

Manantena ny kandidan'ny Kôlekitifa hitondra fanovana tokoa

Sample post image

Fokontany Antetezana afovoany I, Andavamamba Anjezika, Manarintsoa Isotry no notetezan' ny

22-mai-2024

kandida Toavina Ralambomahay sy Anja Naivohanitriniaina omaly talata Nilaza mahitsy ny fahasahiranana misy eo aminy amin'ny andavanandro ny mponina. Leo ny fahantrana, leo ny tsy fitsinjovana vahoaka : izay no tena ao am-bavan’ny vahoaka hatrany amin’izao. Faly sy manana fanentanana anefa izy ireo vao nahita ireto kandidan'ny kolekitifa ireto izay olom-baovao, vonona hitondra fomba fanaovana politika ary indrindra hametraka fanovana eto amin’ny firenena. Manantitra hatrany ireto kandida ireto fa zava-dehibe ny fahaizana mifidy amin’ity fifidianana manaraka ity. Hiankinan’ny ho avy ao anatin’ny 5 taona manaraka indray izany ka mila ireo vahoaka tena tonga saina, ahay hifidy ireo izay afaka tena hiady ho an’ny vahoaka. Efa maro anefa ny vahoaka no resy lahatra fa tena mila rivo-baovao, mila olom-baovao afaka tena hitondra ny hetahetam-bahoaka ary tsy hisalasalan’izy ireo ny handrotsam-bato ho an’ny kandidan’ny kolektikita ato amin’ny boriboritany voalohany. Tsy misy afa-tsy ny safidintsika olom-pirenena no afaka mitondra any amin’ny fanovàna. Hipetraka ho vahaolana ny kandida ao amin’ny boriboritany I : Toavina Ralambomahay sy Anja Naivohanitriniaina atolotry ny kolekitifa an’ny Malagasy. Laharana faha-6 eo amin’ny bileta tokana.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap