airtel

Actualités

01-avril-2021

Actualités

Naina Andriantsitohaina Nosoloiny ny iray tamin’ireo Ben’ny tanàna Lefiny

Sample post image

Nifarana omaly ny andraikitr’Atoa Mamy Rajohnson, izay Lefitry ny Ben’ny Tanàna nisahana ny

01-avril-2021

 

 

 

« Affaires socio-culturelles et développement économique », iray tamin’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Colonel Naina Andriamanday no notendren’ity farany hanohy ny andraikitry ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna sy handimby azy amin’izany toerana izany. “Misy fetrany ny zava-drehetra na dia tiana aza ny hiara-dalana hatrany ho fampandrosoana ny tanànantsika. Eo ihany koa ireo adidy sy andraikitra samihafa”, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina raha nanazava io fanoloana ny mpiara-miasa akaiky aminy io. Nisaotra sy nankasitraka feno an’Atoa Mamy Rajohnson tamin’ny ezaka rehetra niarahana nandritr’izay fotoana izay ity farany ary nirary soa azy amin’izay adidy hafa hiandreketany sy izay rehetra mbola kasaina. Solombavam-bahoaka teo aloha avy amin’ny Tiako I Madagasikara, voafidy tao Antananarivo III i Mamy Rajohnson talohan’ny nanohanany an’i Naina Andriantsitohaina tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, sy niarahany niasa ka nanendren’ity farany azy Ben’ny Tanàna Lefitra.

Jean D.

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap