airtel

Actualités

20-oct-2022

Actualités

Namoaka naoty manery ny Minisitry ny fitsarana Midingin-drambo hatrany ny mpiraki-draharaha

Sample post image

Namoaka naoty mitondra ny laharana 644-MJ/SP/NOTE/2022 ny Minisitry ny fitsarana François Rakotozafy ny talata 18 oktobra, manery ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana hanao “service minimum” na fiandrasan-draharaha.

20-oct-2022

Tsy ara-dalàna izany grevy tsy misy fitsaharana izany fa tokony hisy fiandrasan-draharaha, hoy io Minisitra io. “Manosika ny minisiteran’ny fitsarana handray fepetra ny zava-misy, fepetra miakatra miandalana: fanentanana ny mpiraki-draharaha handray ny andraikitra, fandraisana ny naoty maniraka chef de parket mba handray fepetra manoloana ny fanakatsoana, nanao “requisition” izay fahefana omen’ny lalàna ka misy sazy ara-keloka sy ara-panjakana ny fandavana azy. Mbola tsy nampiharina fa fanentanana no atao. Fepetra azo raisina ihany koa ny fanapahan-karama”, hoy hatrany ny Minisitry ny Fitsarana François Rakotozafy. Raisin’ny mpiraki-draharaha ho fandikan-dalàna ny fepetra raisin’ny Minisitera, ary maneho izy ireo fa tsy mbola misy finiavana hamaha olana. Araka ny naoty, misokatra ny fandraisan-draharaha, saingy manamafy ny mpiraki-draharaha fa mitohy ny fitokonana. “Raha atao tokoa ny asa tsy misy mpiraki-draharaha dia ho to tokoa ve ny asa ao? Anjaran’ny Minisitera ny mamaly azy. Ny asa rehetra, anjaran’ny mpiraki-draharaha manatoha azy miainga any amin’ny fampidiran-draharaha hatrany amin’ny famoahana didy”, hoy ny Filohan’ny Sendikan’ny mpiraki-draharaha Atoa Alain Michel Randriamaro. Nanipika ny tenany, fa tsy mahafoana lalàna izany ny naoty. “Manao tsindry ny Minisitera, fa tsy misy vahaolana. Ankoatra ny “requisition”, fandrahonana hanapaka karama, dia terena handeha tsy misy mpiraki-draharaha ny asa. Fandikan-dalàna miharihary, ny fitsarana tokony ho mpampihatra lalàna no mandika izany”, hoy hatrany izy. Mihenjan-droa hatrany aloha izany ny tady eo amin’ny roa tonta. Etsy ankilany, nanao fanambarana ny Lehiben’ny Firaketan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo taorian’ny fandraisana ny naoty, fa maintsy manao “service minimum”. Manomboka omaly 19 oktobra 2022 ny fiandrasan-draharaha, ka anisan'ireo nambara fa mandeha ny fanaovana taratasy toy ny “casier judiciaire”, ny “certificat de nationalité” ary ny “extrait”; fangatahana fisaraham-panambadiana; raharaham-pitsarana manokana mikasika “Flagrant délit” ny alatsinainy sy Alakamisy; Fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’ny “Chambre de détention preventive” ny talata sy zoma, “Référé à bref délai civil” ny alarobia. Ny mpiraki-draharaha anefa manamafy fa mitokona…

Toky R


 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap