hoy ny fanambaràn’ny Olafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na OJM omaly naneho ny heviny mikasika ireo tranga mifandraika amin’izany ao Toliara sy eto Antananarivo renivohitra. Nanao asa fanangonam-baovao hitatitra ny zava-misy any Benetsy, kaominina Ankilimaliniky, Toliara II, ny mpanao gazety miisa 2 tao Toliara, hoy ny fanazavàna. Niharan'ny fandrahonana fikasihan-tanana izy ireo avy amina andian'olona. Ankasitrahana ny mpitandro filaminana niaro ny ain'izy ireo. Nasaina nofafàna nefa ny rakitsary azo. Nanao asa fanangonam-baovao tetsy amin'ny 67Ha ny mpanao gazety miisa 3, ho an’ny teto Antananarivo. Vaovao momba ny fanorenana tsy ara-dalàna io. Niharana herisetra, fikasihan-tanana ny mpaka sary iray. Manoloana ireo tranga ireo dia manao izao fanambaràna sy fampitam-baovao izao ny OJM. Manamafy fa manameloka ny trangana herisetra atao amin'ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany. Mampahatsiahy ny voalazan'ny lalàna fa iharan'ny fanenjehana sy sazy araka ny fepetra ao amin'ny fehezan-dalàna momba ny ady heloka ny herisetra atao amin'ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany. Mandray ireto fepetra manaraka ireto ny OJM; ho an’ny tranga teto Antananarivo dia hametraka fitoriana, fiaraha-miasa amin'ny ONG Ilontsera, rehefa avy nifampieràna sy nifampiresahana tamin'ilay mpanao gazety niharan'ny herisetra Ho an’ny tranga tao Toliara dia anatin'ny fijerena ny paikady hiarahana amin'ireo mpanao gazety voakasika ho fampiharana ilay fomba fiasa MAMAFA na «MAnadihady, MAnamarina, FAndraisana andraikitra» ny eo anivon'ny OJM. Tsy sasatra mampahatsiahy fa na inona na inona tondrozotran'ny fanoratan'ny orinasan-gazety iasany, mampisitraka ny zo fototry ny olompirenena hahazo vaovao marina ny mpanao gazety ary manana zo malalaka hanara-baovao amin'ireo tranga ilain'ny vahoaka. Tsy sasatra ihany koa mampahatsiahy fa mitaky adidy sy andraikitra avy amin'ny mpanao gazety ny maha asa masina ny asa, indrindra, ny adidy amin'ny fanajàna ny zava-misy marina. Avelao hiasa malalaka ny mpanao gazety, hoy hatrany ny OJM.
J. Mirija