airtel

Actualités

23-févr-2022

Actualités

Nampiaka-peo indray ny SMM “Aza itsabatsabahana ny raharaham-pitsarana”

Sample post image

Namoaka fanambarana mitondra ny laharana 04-SMM/P.22 indray ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) tarihin’ny Filohany Mbitanarivo Andriantsihorisoa omaly 22 febroary 2022.

23-févr-2022

 Votoatin’io ny fampitandremana sy ny hanatsaharana tsy misy hatak’andro ny fitsabatsabahana amin’ny raharaham-pitsarana. Hatramin’ny nandraisany ny andraikiny dia maro sahady ireo mpitsara namana miasa eny amin’ireo ambaratongan-mpitsarana isan-tsokajiny no nanatona ny Sendika nitatitra ny tsindry, famendrofendroana, eny fandrahonana mihitsy aza ataon’ny manampahefana isan-tsokajiny, izay olom-pantatra na mora fantarina, amin’izy ireo mba hanodina ny fizotry ny raharaham-pitsarana, indrindra indrindra ireo raharaha mafampana izay efa fantatry ny rehetra, hoy ny fanambarana. Noho izany, mampahafantatra ny Sendika fa efa mandray an-tanana ny tohiny omena ireo fanitsakitsahanina tsy azo leferina ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ireo. Mampitandrina ireo olona ireo anatsahatra tsy misy hatak’andro ny fitsabatsabahana amin’ny raharaham-pitsarana. Mamporisika ireo mpitsara hitahiry ireo tsindry sy fandrahonana an-tariby ahafahana manolotra izany eo am-pelatanan’ireo tompon’andraikitra mahefa amin’ny fotoana mahamety izany ny SMM. Mamporisika hatrany ihany koa ireo mpitsara izay iharan’ny tsindrihazolena hanatona tsy am-pihambahambana ny Sendika izay miray hina amin’izy ireo hametraka Fitsarana mahaleo tena, madio sy mangaraharaha. Manao antso avo ny hanendrena mpitsara mahitsy sy vonona hiady ho an’ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ho Ministry ny Fitsarana, hoy ny fanambarana.

Toky R

Tahirin-tsary

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap