airtel

Actualités

28-janv-2022

Actualités

Nampitandrina ny Filohan’ny SMM “Hajao ny fahaleovantenan’ny Fitsarana”

Sample post image

Tontosa tamin-pirahalahiana tanteraka omaly alakamisy 27 janoary 2022 ny fiamindram-pahefana nataon’ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) teo aloha Atoa Jaona Clément tamin’Andriamatoa

28-janv-2022

 Mbitanarivo andriantsihorisoa, Filoha vaovaon’ny SMM mandritra ny 3 taona ho avy. Teboka telo no nasongadin’ny Filoha vaovao tamin’ny lahateny nataony: Ny mahasarotiny ny mpitsara rehetra amin’ny fanajàna ny Fanjakàna tan-dalàna sy indrindra indrindra ny fanajàna ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana ka ahafahany mampanjaka tokoa ny marina amin’ny didy avoakany; mampahatsiahy ny Fahefana mpanatanteraka fa efa nisy ny zavatra tinapaka nanomboka tamin'ny taona 2012 (Assises des magistrats) nohamafisina tamin'ny taona 2017 (sata mifehy ny mpitsara) ka tokony hijereny akaiky izany, ary ny hanaovan’ny sendika hetsika manokana sy mitohy hiadiana amin’ny kolikoly sy hamerenana indray ny fitokisan’ny vahoaka. “Mampitandrina ny governemanta sy ny fahefana mpanatanteraka tsy hitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana, ka hanaja ny fisaraham-pahefana. Aoka re hitsahatra ny fitsabatsahabana na raharaha manao ahoana na ahoana. Avelao hanao ny asany ny fitsarana,.. Aza atao rano dikain’ny zinga ny zavatra efa nifanarahana. Tsy hanaiky intsony ny famezivezena, fa aoka hotanterahina ny zavatra efa tapaka, izay sokajiana ho fitohizan’ny raharaham-panjakana”, hoy io filohan’ny SMM vaovao io nanamafy. Farany dia nanao antso avo amin’ireo tsara sitrapo rehetra ny Filoha vaovaon’ny SMM hifanome tanana mba ho tombony ho an’ny vahoaka malagasy satria amin’ny anarany tokoa no hamoahana didy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap