airtel

Actualités

27-mai-2022

Actualités

Nentin’ny mpanampy nitsoaka Hita teny Soavimasoandro ilay zaza

Sample post image

Raharaha be vao hita ilay zazakely nentina mpanampy vavy nitsoaka nanomboka ny alarobia hariva lasa teo. Noho ny hamaroan’ny fifampizarana teo amin’ny facebook sy ny fanapariahana ny sarin’ilay mpanampy sy ilay zaza anefa

27-mai-2022

 dia hita soamantsara omaly hariva izy. Teny Soavimasoandro no nahitana azy mianaka voalohany saingy tafaporitsaka ilay mpanampy. Nifanampy hatrany anefa ny olona ka tratra teny Ambohimanarina ilay vehivavy mpanampy tsy mataho-tody. Raha tsiahivina dia nitaky volabe tamin’ireo Ray aman- dRenin ity zaza ity ilay mpanampy omaly maraina antony nahafahana namantatra ny toerana nisy azy ireo tamin’ny alalan’ny finday nampiasainy. Efa tafaverina soamantsara eo anivon’ny fianakaviany moa ilay zaza raha efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay mpanampy. Tao amin’ny Facebook moa no nahitan’ny Ray aman-dRenin’i Faraleman io mpanampy vavy nitaiza azy io ary vao 5 andro moa no niasany tao amin’izy ireo. Tsy nisy nahafantarana ny mombamomba ity vehivavy ity noho izany. Eny Iavoloha izy ireo no mipetraka.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manantsiny
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap