airtel

Actualités

20-janv-2021

Actualités

Niditra tao Antalaha i Eloïse Mafimafy ny fiantraikany

Sample post image

20-janv-2021

 

 


Tafiditra an-tanety tao Atsimon’Antalaha omaly hariva tamin’ny 7ora ilay rivodoza Eloïse. Tsy niova ny heriny fa mitondra rivotra 100 Km/ora sy tafiotra 140 Km/ora manodidina ny foibeny, izany hoe ao anatin’ny sokajy “forte tempête tropicale”. Nanohy ny diany namakivaky ny tapany Avaratry ny Faritra Analanjirofo sy Sofia izy, nandritra ny alina teo, raha ny tompan’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetry ny andro omaly haritra. Hihena miandalana ny heriny ao anatin’izay. Iangaviana ny mponina amin’ireto toerana ireto mba hampihatra avy hatrany ny: Filazana Loza mitatao (Mena) : Sava, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra ary Mandritsara, hoy ny toromarika. Filazana Loza manambana (Mavo) ho an’i Toamasina I-II sy Alaotra ; Fanairana maitso ho an’i Brickaville, Vatomandry, Mahanoro ary Moramanga. Entanina ny mponina voakasika mba hanaraka ny toromarika omen’ny Manam-pahefana eny ifotony. Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratr’i Vatomandry sy ny avaratra andrefana dia entanina mba tsy hiandriaka ho fisorohana ny loza.

NOTAPAHANA NY HERINARATRA AO ANTALAHA

Noho ny fandalovan'ny rivodoza Eloïse any amin'ny tapany avaratry ny Nosy dia nandray fepetra ny JIRAMA any Antalaha nanapaka ny herinaratra any an-toerana. Izao no atao dia mba hisorohana ny loza mety hateraky ny fandalovan'ity andro ratsy ity, hoy ny fanazavana. Rehefa mihatsara ny andro dia hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra manerana an’Antalaha. Misy fiantraikany amin'ny famatsian-drano ihany koa ny ora-mikija entin'ity andro ratsy ity toy ny any Antsiranana izay miaina fahatapahan-drano noho ny fahatsentsenan'ny tohodranon'i Besokatra. Raha misy tranga fahasimbana fitaovam-pitaterana sy fitsinjaràna herinaratra dia antsoy ny laharana maitso JIRAMA 3547 na mandefasa hafatra mafina amin'ny pejy Fesiboky JIRAMA ofisialy, hoy ny toromarika.

Toky R

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap