airtel

Actualités

10-sept-2021

Actualités

Nisandoka ho mampitombo vola Nahazoany 300.000 Ar ilay ramatoa

Sample post image

Lehilahy iray 26 taona no saron’ny polisy miasa ao amin'ny kaomisarian’ny Fenerive-Est, DRSP Analanjirofo ny faran’ny herinandro teo tao Morondrano Fenerive Est rehefa nisoloky.

10-sept-2021

 Raha araka ny fantatra mantsy dia milaza fa mahay mampitombo vola ity lehilahy ity. Taorian'ny fifampiresahany tamin'ireo olona nosolokiany dia resy lahatra ireto farany ka roboka. Ramatoa iray noho izany no notakiany vola 300.000ar ary nilaza izy fa hataony tonga avo roa heny izany hoe lasa 600.000Ar. Rehefa tonga ny fotoana nifanomezana dia boritra kely misy lamba mena sy vola 10000Ar sandoka miisa roa nalahatra tsara no voarain'ilay ramatoa. Raha vao nahatsikaritra izany ilay niharam-boina dia nampandre ny Polisy miasa any an-toerana. Nosamborina teny Morondrano Fenerive Est ilay mpisoloky ary nentina teny amin'ny biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana.
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap