airtel

Actualités

08-juin-2022

Actualités

Nisandoka ho mpiasan’ny kaominina Mitaky vola no sady mampiasa rosia hosoka

Sample post image

Lehilahy iray 44 taona no nosamborin’ ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny SUT(Sureté Urbaine de Tana) teny Anosy an-tanimbarin'Andriana ny sabotsy faha 04 jona teo noho ny fisandohana andraikitra.

08-juin-2022

 Misandoka ho mpiasan'ny Kaominina io lehilahy io. Rehefa narahi-maso izy dia nampatahotra ny olona nanadio fiara fa tsy azo hanadiovana fiara ny toerana izay misy azy ary misy ny lamandy izay mitentina 10 000 ar tsy maintsy aloha eo noho eo. Rehefa natao ny fanadihadiana teny anivon'ny kaominina dia fantatra fa tsy mahalala na inona na inona mahakasika izany ny kaominina. Nosamborina avy hatrany ity rangahy ity tamin'ny Sabotsy hariva teo tokony ho tamin'ny 02 ora. Hita teny aminy ny "badge" milaza fa mpiasaan'ny kaominina izy sy rosia fandoavana lamandy 10 000ar. Nentina nanaovana fanadihadiana ny tenany ka teo vao fantatra fa hosoka avokoa ireto fitaovana hampiasainy ireto ary niaiky ity farany fa nanao tombokase hosoka izy ary nanamboatra "badge" sy rosia hosoka ihany koa. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy misandoka ho mpiasan’ny kaominina
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap