airtel

Actualités

20-sept-2022

Actualités

Nisy nanondraka tamin’ny asidra Miaina anaty hirifiry tanteraka ny mpanakanto Gosho

Sample post image

Mijafajafa, miaina anaty hirifiry tanteraka ilay mpanankato Gosho, mpanao ny mozika mifangaro avy any Fotsialanana Soanierana Ivongo hatramin’ny omaly.

20-sept-2022

Mangirifiry azy avokoa mantsy ny vatany manoloana ny tratrany sy ny tarehiny izay notondrahin’ny sasany asidra raha tsiahivina. Afak’omaly alahady 18 Septambra tamin'ny 8 ora alina no nitrangan’ity toe-javatra mampalahelo ity tao Toamasina raha teny an-dalana hamonjy fodiana i Gosho. Teo akaikin'ny La Poudrette Tanambao V Toamasina izy no nisy nanondraka asidra. Na izany aza tsy misy ahiana ny ainy. Ny hany mampanahy ny mpanara-baovao rehetra dia ny loza nisesy matetika nahazo ity mpanankato iray ity. Vao nisy nanendaka ihany koa mantsy izy tamin’ny 05 Septambra lasa teo, tsingerin-taona nahaterahany ka very tamin’izany avokoa ireo firavaka sarobidy teny aminy. Olona nasainy ihany no fantatra fa nahavanon-doza. .
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap