airtel

Actualités

13-janv-2021

Actualités

Nitondra fanazavana ny PAC “Olona 7 no mbola karohina momba ilay trafika ”

Sample post image

13-janv-2021

 

 

 

 


18 no voarohirohy, olona 7 no mbola karohina, ka isan’izany ny mpitrandraka, ny tompony,... hoy ny Lehiben’ny Fitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC Atoa Mamy Rakotomahefa omaly. Mety hampanano sarotra ny fisamborana ny famoahana ny anarana ka tsy navoaka, raha ny fanazavana. Tsy vita tao anatin’ny roa andro noho izany ny fanadihadiana. Ny ampahany tamin’ny volamena dia voalaza fa avy any amin’ny Faritra arovana, toy ny tany Mahajanga. Tsy maintsy mangataka fahazoan-dàlana maokana hanenjika sy hisambotra raha ohatra ka olona manana zo tsy azo henjehina (immunité) no voasaringotra. Mbola tsy mahafantatra ny valiny ofisialy momba ny fangatahana ny hamindrana ireo olona voarohirohy atsy Afrika Atsimo ho aty Madagasikara kosa ny PAC. Misy fifandraisana amin’ny maha sao ao anatin’ny SADC an’i Afrika Atsimo sy Madagasikara, ka izay no andrandraina hisian’ny fiaraha-miasa, hoy ny Lehiben’ny PAC. Raha ohatra ka tsy tratra tao Afrika Atsimo dia vitavita ho azy, ka isaorana ny Afrikanina Tatsimo tamin’ny fisamborana ireo olona ireo, hoy hatrany ny eo anivon’ny PAC.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap